한국   대만   중국   일본 
Fiteny jeorjiana ? Wikipedia Aller au contenu

Fiteny jeorjiana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny jeorjiana dia fiteny ofisialin' i   Jeorjia izay firenena ao amin' ny faritra afovoan' i Kaokazy , izay isan' ireo fiteny kaokaziana . Amin' ny fiteny jeorjiana dia atao hoe ??????? ??? / kartuli ena io fiteny io. Ny fiteny jeorjiana dia fitenin-drenin' ny olona miisa 3 900 000 any ho any ao Jeorjia (izany hoe 83 %n' ny mponina ao amin' io firenena io) sy fitenin' ny Jeorjiana any ivelany miisa 500 000 any ho any (indrindra any Torkia , Iraka , Rosia , Etazonia ary ny sisa amin' i Eoropa ). Fitenin' ny haisoratry ny foko maro monina amin' ny tany jeorjiana koa ny fiteny jeorjiana, indrindra ireo miteny fiteny tsy isan' ireo fiteny ao Kaokazy afovoany (fiteny kartveliana) toy ny fiteny svana sy ny fiteny mingreliana ary ny fiteny laza. Ny fiteny jeorjiana vaovao dia soratana amin' ny abidy misy litera 33 atao hoe mkhedruli.

Ny fitsipiteny jeorjiana dia ahitana fiovan' endri-teny araka anjara asa miisa fito, tsy misy fanavahana ny kandahy na ny kambavy , ahitana fitanisana matoanteny saro-drafitra. Ahitana renifeo saro-tononina sy fifanarakarahana renifeo saro-drafitra mampiavaka ireo fiteny kaokaziana ny fiteny jeorjiana.