Ny
Fikambanana Maneran-Tany momba ny Sakafo sy ny Fambolena
dia vondrona manokana ao amin' ny
Firenena Mikambana
, ka miasa eo amin' ny sehatra fanohanana sy fanampiana ara-tsakafo ary fambolena maneran' izao tontolo izao. Naorina tamin' ny taona
1945
tao Quebec izy ary manana birao foibe ao
Roma
ao amin' ny
Palazzo FAO
nanomboka tamin' ny taona
1951
.
Amin' ny
teny frantsay
izy dia atao hoe
Organisation des Nations unies pour l’alimentation et l’agriculture
; fa amin' ny
teny anglisy
kosa dia
Food and Agriculture Organization of the United Nations
., izay hafohezina amin' ny hoe FAO.
Ny filoha ambony mitantana ny FAO amin' izao dia i
Jose Graziano da Silva
, ary ny filoha mpanolo-tsaina mahaleotena dia i
Luc Guyau
. Nanomboka tamin' ny
15
jona
2013
, ny FAO dia mitotaly 197 ireo mpikambana ka ny firenena mpikambana 194 dia ao
Eropa
sy ireo
nosy
manodidina. Manana tanjona avo ny FAO dia "
Manampy sy manorina tontolo afaka amin' ny mosary
" (amin' ny teny frantsay hoe: "
Aider a construire un monde libere de la faim"
) ary misy koa ny tarigetrany izay misoratra amin' ny
sary
famantarana hoe: "
Fiat panis"
, amin' ny
teny latina
midika hoe
"Misia mofo"
).
Sehatra ofisialy
:
http://www.fao.org/about/en/