한국   대만   중국   일본 
Fiarahamonina ? Wikipedia Aller au contenu

Fiarahamonina

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiaraha-monina )

Ny fiarahamonina dia ny teny hamaritana ny olombelona miaina (iombonana, anisan'ireo ny tambajotra sosialy sy ny herin-tambajotra). Noho izy tsy maintsy mampitehanampy ireo tena mahery sy manan-karena ireo mahantra, tena zava-dehibe amin'ny fiaraha-monina ny zom-pirenena, zo sy ny fotoana voafetra. Ireo no fototra fomba hahazoana rariny. Raha mirava ireo dia manomboka mihevitra fa tsy rariny ilay fiaraha-monina ary manomboka mifangalatra, tsy manaiky mifanampy, na manomboka mijery ireo mpanana noho tena fa mangalatra.

Na dia samihafa aza ny fiarahamonina tsirairay, mitovitovy ny fomba firavany: hosoka, halatra, herisetra, ady na vonom-poko raha tsy mahita ny famantarany ao amin'ny fiarahamonina intsony ny olona, ary mahafantatra amin'ny heveriny fa "foko". Amin'ny fiaraha-monina vaovao dia mety ahitana ireo olona mbola manaiky ny fitsipika na afa-belona tamin'ny fitontonganan'ilay fiarahamonina taloha.

Raha horefesina ny hery sy hiray saina ny fiarahamonina misy mpikambana vonona hanampy ny tsirairay, dia antsoina hoe kapitaly ara-tsosialy izany, satria mahasolo ny endrika kapitaly hafa ilay izy. Kely kokoa ny vola ilaina rehefa betsaka ny firaisan-kina eo amin'ny fiarahamonina, satria ny fikambanana no solon'ny vola .

Na izany aza, matetika, tsy refesina mivantana ny hery, fa heverina ihany. Manao zavatra mety mampidi-doza ny olona raha tohanan'ny fiarahamonina. Ohatra, Ireo izay tsy hankato ny lalana, ary manantena ny mpiara-monina aminy ho hanafaka azy amin'ny didim-pikambana amin'ny Fitsarana Ambony .

Mametraka fitsipika ho an'izany karazana fiaraha-miasa izany ny fifanarahana ara-tsosialy. Karazana fifanarahana ara-tsosialy iray ny lalam-panorenana - izay mamela ny fitsarana ny mpitsara na ny manapa-kevitra fa ny lalana , fa tsy ny olona, no tsy mety, araka ny fitsipiky ny fiarahamonina.

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina .

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alalan'ny fanitarana azy .
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.