한국   대만   중국   일본 
Empira Mogoly ? Wikipedia Aller au contenu

Empira Mogoly

Avy amin'i Wikipedia
Ny mety ho endriky ny sainan' ny fanjakana mogoly

Ny Empira Mogoly na Empira Mogaly dia empira niorin' i Babur , taranak' i Tamerlan , tao India , tamin' ny taona 1526 raha resiny i Ibrahim Lodi izay soltana farany tao Delhi tamin' ny ady natao tao Panipat . Atao hoe ????? ???? / ?ahan-e Mo?ul izy amin' ny teny persana fa ????? ????? / Mu?liyah Sal?anat kosa amin' ny teny ordo .

Ny Empira Mogoly tamin' ny andron' i Aurangzeb .

Ny anarana hoe Moghol (izay nadika eto hoe Mogoly ) dia nisampana avy amin' ny anaran' ny faritra niavian' ny Timorida , dia ao amin' ny faritra misy fatrana ao Azia Afovoany izay lasan' i Gengis Khan tany aloha sady fantatra taorian' izany amin' ny anarana hoe Mogolistana : "tanin' ny Mongoly". Na dia niteny amin' ny fiteny tsagatay aza ny Mogoly tany aloha dia nitahiry fomba amam-panao tiorka-mongoly, nandray ny kolontsaina persana izy ireo. Izy ireo no nampiditra ny kolontsaina sy ny literatiora persana tao India , nanorina ny fototry ny kolontsaina indo-persana.

Ny Empira Mogoly dia fisehoan' ny tampon' ny herin' ny fielezan' ny finoana silamo tao India. Azo babon' i Sher Shah Suri indray ny ankabeazan' ny tanin' io empira io ary avy eo votsotra nandritra ny fanapahan' i Humayun . Nandroso fatratra izy tamin' ny andron' i Akbar , ary ny fandrosoany dia nitohy hatramin' ny fiafaran' ny fanapahan' i Aurangzeb . Rehefa maty ity farany, tamin' ny taona 1707, dia nanomboka ny fihen-danjan' io empira io nefa nanana fahefana ihany nandritra ny 150 taona. Tamin' ny taona 1739 dia resin' ny tafika avy any Persia (na Persa) notarihin' i Nadir Shah izy. Tamin' ny taona 1756 dia nisy tafika notarihin' i Nadir Shah nandroba an' i Delhi indray raha nanjary toerana ifanandrinan' ny Eoropeana ilay empira: Nanitatra ny tany fananany ny Britanika sady nanani-bohitra tao Bengaly taorian' ny Ady Fito Taona ( anglisy : Seven Years' War ). Taorian' ny fikomiana indiana tamin' ny taona 1857 dia namabo an' i Raj ny Britanika, nanao sesitany ny emperora mogoly farany izay andriamanjakan' i India hatramin' io daty io.