한국   대만   중국   일본 
Azia Afovoany ? Wikipedia Aller au contenu

Azia Afovoany

Avy amin'i Wikipedia

I Azia Afovoany dia faritra afovoan' ny kontinenta aziatika izay mivelatra manodidina ny ranomasina Kaspiana , ny ranomasin' i Araly ary ny farihy Balkhach . Ny firenena izay lazaina fa ao Azia Afovoany dia ireo firenena aziatika dimy izay manana anarana mifarana amin' ny - stan ( Kazakstana , Ozbekistana , Tajikistana , Torkmenistana , Kirgizistana ). Raha atambatra ireo firenena dimy ireo dia miisa eo amin' ny 61,5 tapitrisa ny mponina ary 4 tapitrisa km2 ny velarantany.

Azia afovoany

Ny Repoblika Sosialista Sovietika ireo firenen' ny Azia Afovoany ireo talohan' ny taona 1991: i Kazakstana (16 tapitrisa mponina tamin' ny 2009), i Kirgizistana (5,5 tapitrisa), i Tajikistana (7,3 tapitrisa), ary i Ozbekistana (27,6 tapitrisa). Anisan' ny toerana izay lazaina fa ao Azia Afovoany dia i Afganistana , Avaratr' i Irana , Kasimiria , Pakistana avaratra, Mongolia ary tsindraindray koa Xinjiang ary Tibeta any Sina andrefana miaraka amin' ny faritra atsimon' i Siberia .

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]

Ireo faritra ara-dafintany ao Azia [ hanova | hanova ny fango ]

Fizaram-paritra hafa ao Azia [ hanova | hanova ny fango ]