Ny
Andron' ny Alimo
dia vanimpotoana tany alohan' ny fotoana nandraiketana voalohany ny tantara, izay miavaka noho ny lanjan' ny fanefena
alimo
. Izany vanimpotoana izany dia mahatratra 2 000 taona eo ho eo, manomboka amin' ny taona 3000 hatramin' ny 2000 tal. J.K., ao amin' ireo faritra miavaka indrindra, dia ny any
Atsinanana Akaiky
, ny any
Eoropa
ary ny any
Azia
. Miovaova izany arakaraka ny faritra eto an-tany resahina izany ka sarotra ny mamaritra azy any amin' ny faritra sasany eto amin' izao tontolo izao sahala amin' ny any
Amerika
nisian' ny sivilizasiona prekolombiana izay nahafantatra ny fanefena
volamena
sy
varahina
hatramin' ny fahazoan' ny Espaniola ilay faritra nefa tsy hita tao ny fanefana alimo.
Ny
alimo
dia anarana mahafaobe iantsoana ny vokatry ny fanatsonihana miaraka ny varahina sy ny
firapotsy
. Amin' izao fotoana izao dia ekena fa mandimby ny
Andron' ny Varahina
ny Andron' ny Alimo sady dimbiasin' ny
Andron' ny Vy
, any amin' ny faritr' izao tontolo izao izay ahitana miavaka ireo vanimpotoana ireo. Miova be ny fari-potoan' ny Andron' ny Alimo arakaraka ny faritra sy ny kolontsaina heverina.