Ny
Alarobia
dia
andro
fahatelo ao amin' ny
herinandro
raha ny
Alatsinainy
no andro voalohany, fa andro fahefatra kosa raha ny
Alahady
no andro voalohany. Amin' ny Malagasy mandala ny fomban-drazana dia andro fahafito izy raha manomboka amin' ny
Alakamisy
ny herinandro.
Ny
teny malagasy
hoe
Alarobia
na
Larobia
dia avy amin'ny
teny arabo
hoe ???????? /
al-’arbi‘?’
izay midika hoe "ny fahefatra".
Ny andro Alarobia eo amin' ny kolontsaina malagasy
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Andro fahafito ao amin' ny herinandro ny Alarobia teo amin' ny Ntaolo malagasy nanao ny
Alakamisy
ho andro voalohany.
Andro ratsy ny Alarobia satria tsy miverina. Andro natokana amin' ny fanaovana famoizana, fandevenana, fanaovana afana,
famadihan-drazana
, fitomaniana ny maty, famangia-manjo, ary fialan-tsaona
[1]
.
Tsy azo atao ny miainga handeha lavitra na manao zavatra tiana hanan-danja lehibe amin' ny andro Alarobia fa tsy ho tafody an-tanindrazana fa ho faty any, nefa ny fanaovana izany amin' ny andro Alarobia mifoha Alakamisy (harivan' ny Alarobia), toy ny
Asabotsy
mifoha
Alahady
, dia mety tsara. "Alarobia tsy miverina" no nilazan' ny Ntaolo malagasy ny Alarobia. Tsy mety ny manao
hasoavan-jaza
amin' ny andro Alarobia. Andro tsara hakana vohitra na hanaovaa kabary ny Alarobia. Ny lahim-bahona (tamba-bonin' ny
vahona
) no
faditry
ny Alarobia
[2]
.
- Tetiandro gregoriana
:
Janoary
,
Febroary
,
Marsa
,
Avrily
,
Mey
,
Jona
,
Jolay
,
Aogositra
,
Septambra
,
Oktobra
,
Novambra
,
Desambra
.
- ↑
"Alarobia",
Regis Rajemisa-Raolison
,
Rakibolana malagasy
, 1985.
- ↑
"Alarobia", H. Rabeony sy ny namany,
Firaketana ny fiteny sy ny zavatra malagasy
, 1937-1963.