Uniqlo Co., Ltd.
(Japoney: 株式?社ユニクロ
Kabushiki-gaisha Yunikuro
) dia orinasa
japoney
mamolavola, manamboatra ary mivarotra akanjo mahazatra. Tany Japon no niorina tany am-boalohany, niitatra tany ivelan'i Japana ny orinasa tamin'ny taonjato faha-21 ary lasa marika akanjo lehibe, azo oharina amin'ny orinasa toa ny
H&M
. Tamin'ny 2024, Uniqlo dia nanana fivarotana maherin'ny 2,400 manerantany.
[1]
Uniqlo dia naorina tamin'ny 1949 tao
Ube
(
Yamaguchi
) ho anisan'ny vondrona orinasa Fast Retailing.
[2]
Tamin'ny taona 1984, nisokatra tao
Hiroshima
ny fivarotana akanjo tsy miandany amin'ny lahy sy ny vavy antsoina hoe “Unique Clothing Warehouse” na “Uniqlo” raha fintinina.
Nanokatra ny fivarotana voalohany tany ivelan'i Japana tany
Londres
ny Uniqlo tamin'ny 2001 ary ny fivarotana voalohany tany
Shanghai
tamin'ny 2002. Tamin'ny 2005, nisokatra tany
New York
ny Uniqlo Amerikana voalohany.
[3]
Uniqlo amin'izao fotoana izao dia mampiasa olona 30.000 mahery ary miasa any amin'ny firenena 25 mahery. Misy fivarotana Uniqlo 800 mahery any
Japana
(100 mahery any
Tokyo
fotsiny) ary mihoatra ny 1600 any ivelan'i Japana.
[4]
-
Logo Uniqlo Taloha (1998-2009)
-
Logo Uniqlo amin'ny abidy
-
Logo Uniqlo amin'ny teny japoney