한국   대만   중국   일본 
Saikanosy Iberika ? Wikipedia

Ny Saikanosy Iberika na Saikanosy Iberiana na Iberia , izay atao hoe Eoropa Atsimo-Andrefana koa, dia saikanosy any atsimo andrefan' i Eoropa . Ny firenena sy zanatany ao amin' ny Saikanosy Iberika dia i Portogaly , i Espaina , i Andora , i Gibraltara ary faritany kely an' i Frantsa Atsimo. Anisan' ny saikanosy telon' i Eoropa Atsimo ny Saikanosy Iberika ary izy no any andrefana indrindra amin' ireo. Ny Saikanosy Iberika dia voafaritry ny Pirenea any avaratra, ny andilan-dranomasina Gibraltara any atsimo, ny ranomasimbe Atlantika any andrefana ary ny Ranomasina Mediteranea any atsinanana. Manakaiky ny kontinenta afrikanina ny Saikanosy Iberika any atsimo ary ny andilan-dranomasina Gibraltar fotsiny no manasaraka azy. Ny Saikanosy Iberika dia manana velarantany 582?860?km 2 , ary izy no saikanosy faharoa any Eoropa.

Saikanosy Iberika

Anarana

hanova

Anarana Grika

hanova

Ny anarana hoe Iberia dia avy amin' ny teny grika taloha hoe ?βηρ?α / Ib?ria araka ny jeografy grika tamin' ny andron' ny Empira Romana mba hiantsoany ny Saikanosy Iberika fantatsika ankehitriny. Io anarana io dia tsy nampiasaina mba handroana firenena ara-politika na foko manana fiteny iray. I Iberia araka, an' i Strabos dia voafaritr' i Keltik? amin' i Pirenea. Ary ny bolongantany any atsimon' i Iberika.

Anarana romana

hanova

Tamin' ny fihaanan' ny Romana tamin' ny jeografa grika, nampiasainy ny teny hoe Iberia rehefa miresaka momba ny Saikanosy Iberika sy ny mponiny lazaina hoe Ibera (na Iberiana ). Tamin' ny taona 200 tal. J.K. ny soratra voalohany hita miresaka momba an' i Iberia, nosoratan' ny mpanoratra tononkalo latina Kointo Enio (latina: Quintus Ennius ). Efa mahafantatra tsara an' i Iberia ny Romana tamin' ny ady somary naharitra tamin' i Kartago . Ny jeografy romana sy ny mpanoratra prozy tamin' ny fotoanan' ny Repoblika Romana dia niantso an' ilay saikanosy hoe Hispania .

Tamin' ny Romana nanomboka nahita tombontsoa tamin' ny fananan' i Kartago taloha, nanomboka nampiasain' ny Romana ny teny hoe Hispania Citerior ("Hispania Akaiky") sy Hispania Ulterior ("Hispania Lavitra") fa tamin' izany fotoana izany, ny lazaina hoe Hispania Ulterior dia faritany misy an' i Portogaly , ny Seltiberia , ny Betika ( Betica ), ny Kantabria ( Cantabria ), ary ny Vaskona ( Baska ) ankehitriny. Hoy i Strabona, miara-mampiasa ny teny hoe Iberia sy Hispania ny Romana, samy akaiky sady samy lavitra ny elanelan' izy ireo. I Strabona dia niaina tamin' ny fotoana naha voazara faritany Romana an' i Iberia, misy faritany an' ny Loholona romana sy faritany hafa "an' ny emperora romana". Ny faritan' i Baetia ihany no "an' ny vahoaka". Mihamanan-danja ny fiteny latina any amin' ny faritan' ny Saikoanosin' i Iberia, afa-tsy ny fiteny baska , izay voaaron' ny Pirenea.

Jeografia

hanova
 
Sarinntany maneho ny sisintany sy ny antsipiriany topografikan'ny Saikanosy Iberika. Tao amin'ny Robert Wilkinson's General Atlas, tamin'ny 1794 tany ho any

Ny sisin'ny tanjona Iberika dia, any atsimo, ny tanjona Tarifa ( 36°00′15″N 5°36′37″W ? / ? 36.00417°N 5.61028°W ? / 36.00417; -5.61028

), ary any avaratra ny Estaca de Bares ( 43°47′38″N 7°41′17″W ? / ? 43.79389°N 7.68806°W ? / 43.79389; -7.68806

). Ny halavitry ny refim-paribolana roa ireo dia misy 865 km. Ny tanjona any andrefana indrindra dia any Cap de Creus any Portogaly any atsinanana ( 42°19′09″N 3°19′19″E ? / ? 42.31917°N 3.32194°E ? / 42.31917; 3.32194

), ary 38°46′51″N 9°29′54″W ? / ? 38.78083°N 9.49833°W ? / 38.78083; -9.49833

any andrefana. Ny halavitr' ireo tanjona roa ireo dia misy 1155 km.

Morontsiraka

hanova

Ny halavan' ny morontsiraky ny Saikanosy Iberika dia 3?313?km, ka 1?660?km amin' ny morontsiraka mediteraneanina ary 1?653?km amin' ny morontsiraka atlantika.

Tendrombohitra

hanova

Ny tendrombohitra ao amin' ny Saikanosy Iberika dia somary mifanitsy. Manao atsinanana-andrefana ny akabeazan' ny tendrombohitra avo any amin' ny Saikanosy Iberika. Ny mampisy io zavatra io dia ny tantara jeolojikan' ilay saikanosy . Ny tendrombohitra dia i Pireneo, miampita ny andilan-tani n' ilay saikanosy, tsy misakana ny fandehanana any amin' ny tanjona raha tsy avy amin' ny morontsiraka, ny tendrombohitra kantabrika, any amin' ny faritra avaratra amin' ny Saikanosy Iberika, i Sierra de Guadarrama, i Sierra de Gredos, i Sierra de Gata ary i Serra da Estrella; any atsimo indray misy an' i Sierra Morena sy i Sierra Nevada.

Renirano

hanova

Tanana lehibe

hanova

Ny tanana ngeza indrindra any amin' ny Saikanosy Iberika dia i Madrid, i Barcelone, i Lisbonne, i Valencia, i Porto, i Seville, i Bilbao, i Zaragoza, i Braga, i Coimbra, i Malaga, i Vigo ary i Valladolid. Misy tanana hafa vitsy mponina fa manan-danja ara-kolontsaina ao amin' ilay saikanosy.

Ekolojia

hanova

Jeolojia

hanova

Tantara

hanova

Efa nisy 1 tapitrisa taona tsy latsaka izay ny olona no nanomboka nipetraka teo amin'ny Saikanosy Iberika, araka ny sisan-taolam-paty hita teo Atapuerca.

Jereo koa

hanova

Rohy ivelany

hanova
 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina .

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alalan'ny fanitarana azy .
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.