Ny
taona
dia fotoana aharetan' ny tsingerim-pihodin' ny
Tany
amin' ny
Masoandro
na tsingerim-potoana mifandraika amin' ny fitsingerenan' ny fizaran-taona iray ka manodidina ny 12 tsingerim-bolana eo ho eo izany. Miankina amin' ny zavatra eny amin' ny lanitra atao fiaingana ny refin' io faharetana io, ka maro noho izany ny famaritana ny atao hoe "taona".
Araka ny
tetiandro
ampiasaina dia misy 12
volana
amin' ny ankapobeny ny ao anaty taona iray nefa misy tsindraindray taona ahitana 13 volana. Noho ny fahatsapana ny fahataran' ny tetiandro miohatra amin' ny zava-miseho eo amin' ny natiora (
fizaran-taona
, tsingerim-bolana, fanirin' ny zava-maniry, sns) no antony anampiana volana iray faha-13 ny taona sasany. Izany, ohatra, no mitranga amin' ny
tetiandro hebreo
izay tsy toy ny tetiandro
miozolmana
.
Ny ao anatin' ny iray taona, arakaraka ny tetiandro ampiasaina, dia ahitana andro izay matetika miisa mihoatra ny 300 ka ny farany ambony mety hihoatra ny 370 andro. Ny tsy fitovizan' ny isan' ny
andro
anatin' ny volana iray arakaraka ny tetiandro arahina no mahatonga izany. Nisy ihany ny taona nahitana andro miisa latsaky ny 300 toy ny
tetiandro romana
.
Ny taona ao amin' ny tetiandro joliana
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Misy 365,25 andro ny salam-paharetan' ny iray taona ao amin' ny
tetiandro joliana
nefa nihoatra 3 andro izany isaky ny taonjato 4 raha ampitahaina amin' ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro, ka nahatonga ny fihoarana 10 andro eo ho eo tamin' ny taonjato faha-16 izay nitarika ho amin' ny fampiasana ny
tetiandro gregoriana
tamin' ny fanitsiana azy tamin' ny taona 1582 faha-papa
Gregorio XIII
.
Ny taona ao amin'ny tetiandro gregoriana
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Ny taona iray ao amin' ny tetiandro gregoriana, ilay ampiasain' ny ankamaroan' ny olona amin' izao fotoana izao, dia misy 365 andro amin' ny telo taona mifanarakaraka ka misy 28 andro ny volana
Febroary
, fa 366 andro kosa isaky ny efa-taona izay mampisy 29 andro ny volana Febroary. Izany dia atao mba hahatonga ny efa-taona hisy 1461 andro. Ny anaran' ny taona iray, amin' ny maha daty azy, dia ny laharany nifanarahana ihany. Ny ankamaroan' ny firenena eto an-tany, izay mampiasa ny tetiandro gregoriana, dia efa samy nanitsaka ny taona faha-2017 tamin' ny taona 2017.
Maharitra 354,3670584 andro ny salam-paharetan' ny taona iray ao amin' ny tetiandro manara-bolana, nefa noho ny taona tsirairay izay tokony hisy andro feno dia maharitra 354 na 355 andro izany, izany hoe latsaka 10 na 11 andro raha mitaha amin' ny taona amin' ny tetiandro gregoriana.
Taona ao amin' ny tetiandro mozilmana
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Ny
tetiandro silamo
anefa dia teo amin' ny taona faha-1438 tamin' io taona 2017 gregoriana io. Manampy izany tsy fifanadrifiana izany koa ny tsy fitovizan' ny isan' ny andro ao amin' ny taonan' ny tetiandro tsirairay. Ohatra, ny taona mozilmana iray dia misy 354 na 355 andro nefa ny taona gregoriana misy 365 na 366 andro.
Taona ao amin' ny tetiandro malagasy manara-bolana
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Ao amin' ny
tetiandro malagasy
manara-bolana dia misy 354 na 355 andro ny taona malagasy manara-bolana, ka latsaka 11 na 12 andro izany raha mitaha amin' ny taona ao amin' ny tetiandro gregoriana. Izany hoe ny iray taona gregoriana dia misy 12 volana malagasy miampy 10 na 11 na 12 andro.
Taon-tetiandro manara-bolana sy masoandro
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Misy 12 volana ny iray taona nefa indraindray dia mitombo 13. Mba hanakekezana kokoa ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro, izay tsapa amin' ny alalan' ny zava-mitranga (eo amin' ny
zava-manana aina
na ny
toetrandro
) miankina amin' ny tsingerin' ny
fizaran-taona
sy ny toeran' ny
kintana
sy ny
antokon-kintana
eny amin' ny lanitra, dia anatsofohana iray volana fanampiny (volana faha-13) isaky ny telo taona eo ny tetiandro manara-bolana sy masoandro. Noho izany misy ireo tetiandro ampiasana ny fifandraisan' ny telo taona amin' ny 37 volana na ny 19 taona amin' ny 235 volana (ity no atao hoe "
Tsingerin' i Metona
").
Taona ao amin' ny tetiandro malagasy manara-bolana sy masoadro
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Misy ny tetiandro malagasy tsy tena manara-bolana fa manara-bolana sy masoandro izay mampifanandrify ny volana
Alahamady
amin' ny fari-potoana ao amin' ny volana
Marsa
sy
Avrily
. Misy 354 na 355 ny iray taona nefa mety ho lasa 383 na 384 na 385 izany vokatry ny fampifanandrifiana ny fiantombohan' ny volana
Alahamady
amin' ny tsinam-bolana akaiky ny 21 Marsa.
Ny tsingerim-potoana ao anaty herin-taona
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Misy roa ambin' ny folo
volana
ny ao anatin' ny taona iray. Manampy
volana iray fahatelo ambin' ny folo
ny tetiandro sasany toy ny
tetiandro hebreo
.
Amin' ny
teny malagasy
dia indreto ny anaram-bolana ao amin' ny
tetiandro gregoriana
:
Janoary
,
Febroary
,
Marsa
,
Avrily
,
Mey
,
Jona
,
Jolay
,
Aogositra
,
Septambra
,
Oktobra
,
Novambra
ary
Desambra
.
Indreto ny
anaram-bolana malagasy
avy amin' ny fanandroana arabo izay ampiasaina koa amin' ny
fanandroana malagasy
:
Alahamady
-
Adaoro
-
Adizaoza
-
Asorotany
-
Alahasaty
-
Asombola
- Adimizana -
Alakarabo
-
Alakaosy
-
Adijady
-
Adalo
-
Alohotsy
Misy herinandro 52 miampy andro iray (na roa) ny ao anatin' ny taona iray ao amin' ny
tetiandro gregoriana
.