한국   대만   중국   일본 
Zeosy ? Wikipedia Aller au contenu

Zeosy

Avy amin'i Wikipedia

I Zeosy , araka ny fedra grika, dia andriamanitry ny Lanitra sady mpanjakan' ireo andriamanitra monina ao amin' ny tendrombohitra Olimpo any Tesalia. Izy no zandriny indrindra tamin' ireo zanaky ny titana lahy Kronosy sy ny titana vavy Rea. Rahalahiny ny andriamanitra Poseidona sy Hadesy ary anabaviny ny andriamanibavy Hestia sy Demetera ary Hera. Izy no tompo sy andriamanitry ny fahazavan' ny Lanitra. Izy no mibaiko ny filatsahan' ny ranon' orana. Manampy azy amin' izany asany izany i Hera anabaviny sady vadiny fahatelo.

Mpanjakan' ny olombelona sy ny andriamanitra rehetra ao Olimpo izy. Mahefa ny zava-drehetra izy ka nanjaka tamin' ny andriamanitra grika rehetra. Andriamanitry ny fahamarinam-pitsarana sy ny famelan-keloka ary mpiaro ny osa izy. Izy no manasazy ny mpanao heloka bevava ary mampanjaka ny filaminana eo amin' ny fiarahamonina sy manerana izao rehetra izao. Izy no miantoka ny hoavin' ny olombelona. Tandrovany ny fampanjakana ny lalana sy ny fitiavam-bavaka ary ny fitiava-mandray vahiny.