한국   대만   중국   일본 
Zanaka am-pielezana afrikana ? Wikipedia Aller au contenu

Zanaka am-pielezana afrikana

Avy amin'i Wikipedia

Ny zanaka am-pielezana afrikana na diaspora afrikana maneran-tany dia fitambarana vondrom-piarahamonina maneran-tany avy amin' ny Afrikana teratany na olona avy aty Afrika , indrindra ireo any Amerika . Ity teny ity dia matetika manondro ny taranaky ny teratany Afrikana Tandrefana sy Afrikana Tanivo izay nandevozina sy nalefa tany Amerika tamin' ny alalan' ny varotra andevo namakivaky an' i Atlantika teo anelanelan' ny taonjato faha-16 sy faha-19, izay nitaranaka mponina manam-piaviana afrikana betsaka indrindra any Etazonia , any Brezila ary any Haity (amin' io filaharana io). Na izany aza, io teny io dia azo ampiasaina hanondroana ireo tsy taranaka afrikana teratany avy any Afrika Avaratra izay nifindra monina any amin' ny faritra hafa amin' izao tontolo izao. Misy manam-pahaizana milaza fa “vanimpotoana efatry ny fandehanana” amin’ io fifindra-monina avy aty Afrika io. Ny andian-teny hoe diaspora afrikana dia niditra tsikelikely tamin' ny fitenenana mahazatra tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-21. Ny teny hoe "diaspora" dia avy amin' ny teny grika hoe διασπορ? / diaspora (ara-bakiteny: "miparitaka") izay nalaza raha miresaka momba ny Jiosy am-pielezana talohan' ny hampiharana io teny io bebe kokoa amin' ny mponina hafa.

Tsy dia mahazatra loatra ny fampmiasana ilay teny tamin' ny sehatry ny fampianarana mba hilazana ny fifindra-monina vao haingana avy aty Afrika. Ny Vondrona Afrikana dia mamaritra ny diaspora afrikana ho toy izao: "ireo vahoaka teratany afrikana na ampahany monina ivelan' ilay kontinenta, na inona na inona zon-taniny sy zom-pireneny ary vonona ny handray anjara amin' ny fampandrosoana ny kontinenta sy ny fananganana ny Vondrona Afrikana. Ny sata mifehy azy dia manambara fa "hanasa sy hamporisika ny fandraisan' anjaran' ny diaspora afrikana ho ampahany manan-danja amin' ny kontinentantsika, amin' ny fananganana ny Vondrona Afrikana".

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]