한국   대만   중국   일본 
Totmosisy III ? Wikipedia Aller au contenu

Totmosisy III

Avy amin'i Wikipedia
Totmosisy III
Sary:TuthmosisIII.JPG, Thutmosis III wien front.jpg
Ankapobeny
Anarana Totmosisy III
Teraka 1 Janoary -1481
Maty 1 Janoary -1425
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa  : Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Totmosisy III dia faraon ’i Ejipta tamin’ny taona 1479 hatramin’ny 1424 tal. J.K. nandritra ny vanimpotoan’ny Empira Vaovao. Isan’ireo faraona nahavita zavatra betsaka izy. Teraka tamin’ny taona 1481 tal. J.K. ary maty tamin’ny taona 1425 tal. J.K.

Izy no faraona fahadimy tao amin’ny faianakavia-manjaka (dinastia) faha-18. Zanakalahin’i Totmosisy II sady mpandimby azy izy. Nanambady ny anabavin tsy iray reny aminy izy, dia ny zanak’i Hatsepsota vadin-drainy. Mbola kely izy no nandimby an-drainy tamin’ny taona 1479 ka nataon’i Hatsepsota rafozany izay tsy hampisongadina azy. I Hatsepsota noho izany no tena nanapaka ny tany ka anarany fotsiny ny maha mpanjaka an’i Totmosisy III. Rehefa tonga taona i Totmosisy dia naira-nanapaka tamin’i Hatsepsota, nefa tamin’ny nahafatesan’i Hatsepsota tamin’ny taona 1458 dia nopotehiny ny trano sy ny zavatra hafa naorin’i Hatsepsota mba hamafany tanteraka ny anarany tsy hisy hahatadidy.

Nanjaka tokana amin’izay i Totmosisy III nanomboka tamin’ny taona 1458 ka nanomboka nanao fakana tany tamin’ny alalan’ny adin-tafika izay tsy isy toa azy hatramin’izay nandritra ny tantaran’i Ejipta tamin’ny Andro Taloha . Niditra tany Siria ny tafik’i Totmosisy ary nanamontsana ny tafika siriana tao amin’ny lemak’i Jezreela. Resy ny Siriana ka nitady fialofana tany Megido .

Taorian’izany, nandritra ny fotoana nikononkononan’ny Mitaniana (mponin’i Mitany) hanao fikomiana tao amin’ny tanana maro tao Siria sy tao Foinikia (na Fenisia ), izay teo ambany ziogan’i Ejipta, dia niady tamin’i Mitany, izay nifehy ny ampahany be aminn’ny tapany avaratr’i Mesopotamia , i Totmosisy III. Nidiran’ny tafik’i Totmosisy ny taniny ary maro ny tanana azony ka niitatra noho izany ny heriny tany avaratr’i Palestina sy tany avaratr’i Foinikia (na Fenisia). Nanorenany tsangambato ny e amoron’i Eofrata tao amin’io faritra io mba ho famantarana ny efi-tanin’i Ejipta. Nanitatra ny fari-tanin’i Ejipta hatrany Nobia ko izy.

Aorian’ireo fandresena miezinezina azon’ny tafiny i Totmosisy III dia mamatsy ireo tempoly maro tany Ejipta tamin’ny alalan’ny entana voababony sy ny hetra voangony. Niha nanan-karena noho izany ny Tempoly Lehiben’i Karnaka ary noraiketina tao an-tsoratra eny amin’ny rindrin’ny tempoly ny zava-bitany isan-taona. Nanao asa fanorenaana maro ko aizy manerana ny tany notapahiny, indrindra tany Heliopolisy sy tany Memfisy ary tany Abidosy .

Rehefa maty i Totmosisy III dia i Amenofisy II zanany no nandimby azy teo amin’ny fitondrana. Ny fatin’i Totmosisy III voatahiry dia hitan’ny mpikaroka tany Deir el-Bahari .

Ny fiainany manokana [ hanova | hanova ny fango ]

I Thutmose II no rainy. Ny vadiny dia Satiah. Ny zanany dia Amenemhat, Meritamen.

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]

Rohy ivelany [ hanova | hanova ny fango ]

  • Ao amin'i Freebase: [1]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina .

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alalan'ny fanitarana azy .
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.