한국   대만   중국   일본 
Tongstena ? Wikipedia Aller au contenu

Tongstena

Avy amin'i Wikipedia
Anjan-tongstena

Ny tongstena dia singa ara-tsimia, karazana metaly izay mitaky maripana avo indrindra mba hampitsonika azy. Mitondra ny laharana atomika 74 izy ary W no eva fanehoana azy. Metaly mavesatra sy mafy dia mafy ary mora mitresaka ny tongstena, izay miloko fotsy manopy volom-bolafotsy. Mora roritina izy. Izy no singa laharana faha-57 amin' ny habetsahany ao ambanin' ny Tany. I Korea Atsimo , i Portogaly , i Aotrisy ary i Aostralia no mpitrandraka akoran-tongstena be indrindra maneran-tany. Mitsonika ny tongstena amin' ny maripana 3 422 °C ary mangotraka amin' ny maripana 5 555° C. Manana hakitroka ambony 19,3 izy ary 183,84 ny lanja atomikany. Ampiasaina amin' ny fanamboarana tsiraka ao anaty jiron' aratra na ny lafaoron' aratra ny tongstena. Ampiasaina koa izy amin' ny taharon-ts? mafy sy mahatohitra.