Ny
toetany
dia ny fitambaran’ ny zava-mitranga momba ny
toetrandro
mampiavaka ny toerana na ny faritra iray, izay nanaovana salanisa mandritra ny ampolo taonany maro (mahatratra 30 taona), ka anisan’ izany ny sala-
maripana
ambany sy ambony, ny salan-
kafanana
ambony sy ambany, ny salan-d
rotsak' orana
ambony sy ambany, ny fizoran' ny
rivotra
sy ny hafainganam-pitsokany ankapobeny, ny salam-paharetan’ ny fanazavan' ny
masoandro
. Ny toetany dia tsy afangaro amin’ ny
toetrandro
izay zava-mitranga eny amin' ny habaka manodidina ny tany isan' andro na mandritra ny andro vitsy.
Ny toetany dia ny tsinjara araka antontanisan' ny toetran' ny
atmosfera
n' ny tany eo amina faritra iray mandritry ny vanim-potoana iray.
Haitoetany
na
klimatolojia
no anaran' ny taranja mandinika ny toetany. Samihafa amin' ny ny haitoetany ny
haitoetrandro
na
meteorolojia
noho ity farany mandalina ny toetrandro amin' ny fotoana fohy sy amin' ny toerana voafetra.
Na amin’ ny faritra iray aza dia tsy mitovy tanteraka ny toetany arakaraka ny toerana heverina ao amin’ io faritra io, fa misy fiovana kely sy miandalana. Mety samy hafa noho izany ny toetany amin’ ny faritra samy hafa ao amin’ ny
firenena
na
kontinenta
iray. Izany no mampisy karazana toetany maro eto an-tany: mangatsianka na mafana na antonony, mando na maina na antonony, sns.
Mamaritra ny toetany amin’ ny faritra iray ny hazavana sy ny hafananan’ ny
masoandro
azon’ ilay faritra (vokatry ny tsy fitoavian’ ny zoro iantefan’ ny tara-masoandro amin’ ny toerana tsirairay eto an-tany, arakaraka ny
fehin-tani
n’ ilay toerana), ny fivoivoin’ ny
rivotra
sy ny
ranomasina
(izay manova ny fitsinjaran’ ny
hafanana
sy ny
hatsiaka
), ny maha akaiky na lavitra ny ranomasina ilay faritra, ary ny endriky ny vohon' ny tany (
tendrombohitra
,
lemaka
, sns) ao amin’ io faritra io.
Raha tsotsorina dia mizara faritra telo lehibe ny tany, dia ny
faritra anelanelan' ny zana-pehin-tany
(izay azo zaraina ho faritra manana
toetanim-pehiben-tany
sy
toetanin-jana-pehin-tany
), ny faritra antonony roa avaratry ny zana-pehin-tany avaratra sy atsimon’ ny zana-pehin-tany atsimo, ary ny faritra manodidina ny tendron-tany. Tsy ampy hamaritana ny karazan-toetany misy anefa ireo fizaram-paritra telo ireo. Misy zana-pizaram-paritra madinika kokoa anatin’ ireo faritra telo lehibe ireo. Ny toetanin-jana-pehin-tany, ohatra, dia azao zaraina ho toetanin-jana-pehin-tany saika karankaina, toetan-jana-pehin-tany maina na mando, sns.
Mafana sy mando ny
toetanim-pehiben-tany
izay hita manodina ny
fehiben-tany
: tsy mihoatra ny 35 °C ny maripana noho ny fientona, nefa tsy maintsy ambonin’ny 18 °C noho ny fihazon’ ny
rahona
ny hafanana. Tsy dia misy fiovany firy ny
maripana
mandritra ny andro sy mandritra ny taona. Misy
fizaran-taona
roa manorana izany faritra izany, dia manodidina ny volana Marsa sy Septambra. Ao amin’ izany faritra izany no ahitana ireo toerana be ala indrindra eto an-tany, dia ny ala any
Amazonia
any
Amerika Atsimo
sy ny ala any
Indonezia
any
Azia
.
Ny faritra misy ny
toetanin-jana-pehin-tany
dia eo anelanelan’ ny fehiben-tany sy ny
zana-pehin-tany
(
zana-pehin-tany Adijady
sy
zana-pehin-tany Asorotany
). Tokana ny fizaran-taona be orana, dia amin’ ny
fahavaratra
. Ambany dia ambany ny rotsak’ orana, izay tsy mihoatra ny 250 mm. Ambony dia ambony anefa ny maripana izay mety mahatratra eo anelanelan’ny 40 °C sy 50 °C amin’ ny andro, nefa amin’ ny alina dia midina izany hafanana izany ka mety mangatsiaka tokoa. Amin’ ny faritra manandrify ireo zana-pehin-tany roa dia misy ny atao hoe
antisiklonina
izay miteraka toetany mafana dia mafana sady maina tsy misy orana.
Ny
tany efitra
mafana eto ambonin’ ny tany dia hita ao amin’ ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany, toy ny ao amin’ ny tany
efitr’ i Sahara
ao
Afrika
, ny
tany efitr' i Victoria
ao
Aostralia
.
Ny faritra misy
toetany antonony
dia hita eo amin’ ireo
fehin-tany
salasalany. Miavaka tsara ny fizaran-taona ka mafana ihany ny fahavaratra ary ny
ririnina
dia mando. Amin’ ny ankapobeny dia antonony ny hafanana sy ny hatsiaka ary ny habetsahan’ ny rotsak’ orana. Amin’ ity faritry ny toetany antonony ity no misy ny ankamaroan’ ny mponina eto ambonin’ ny tany.
Ny faritra misy ny
toetanin-tendron-tany
dia eo anelanelan’ ny
faribolan-tendron-tany
sy ny
tendron-tany
. Tsy dia misy firy ny rotsak’ orana ary ny maripana dia ambany dia ambany, mahalana raha hihoatra ny 0 °C. Rakotra
ranomandry
mandrakariva ireo faritra ireo. Rakotra ranomandry i
Arktika
izay ahitana an’ i
Goenlandy
sy i
Siberia
any avaratra. Toraka izany koa i
Antarktika
any atsimo, izay efa nahitana hatsiaka mahatratra -88 °C. Mety mahatratra 3 000 m ny hatevin’ ny ranomandry amin’ izany.