한국   대만   중국   일본 
Testamenta Taloha ? Wikipedia Aller au contenu

Testamenta Taloha

Avy amin'i Wikipedia
Ny famoronana ny mazava - sary nataon' i Gustave Dore

Atao hoe Testamenta taloha ny fitambaran' ny boky ao amin' ny Baiboly voasoratra talohan' i Jesoa Kristy . Ny Kristiana dia mampiasa an' io teny io hanondroany ny tapany voalohany amin' ny Baiboly, izay voasoratra talohan' i Jesoa Kristy sady antsoin' ny Jiosy hoe Tanakh . Ny Vavolombelon' i Jehovah dia miantso ny Testamenta Taloha hoe " Soratra Hebreo sy Aramianina" .

Fiforonan-teny [ hanova | hanova ny fango ]

Ny andian-teny hoe Testamenta Taloha dia fanagasiana ny teny latina hoe Vetus Testamentum . Io andian-teny io indray dia fandikana ny teny grika hoe Παλαι? Διαθ?κη / Palaia Diatheke. Ny hoe palaia (grika) sy ny hoe vetus (latina) dia samy azo adika hoe "antitra", "taloha" na "tranainy" ary ny hoe testamentum (latina) na diatheke (grika) dia midika hoe "fanekena", "fifanarahana", "fanekem-pihavanana". Ny Testamenta Taloha izany dia ny Baibolin' ny Jiosy na Jody, izay antsoina hoe Tanakh .

Ho an' ny Kristiana , ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao no mitambatra ho Baiboly.

Boky ao amin' ny Testamenta Taloha [ hanova | hanova ny fango ]

Misokajy efatra ny boky ao anatin' ny Testamenta Taloha, dia ny Pentateoka (atao hoe koa Boky dimin' i Mosesy), ny bokin-tantara (na boky ara-tantara), ny bokim-pahendrena (na bokin' ny Olon-kendry), ary ny bokin' ny Mpaminany. Manampy azy ireo sy mitsinjara amin' izy ireo ny boky sokajina hoe Deoterokanonika izay tsy tafiditra ao amin' ny Tanakh sy ao amin' ny Baiboly protestanta . Marihina fa telo fotsiny ny fizarana ny Baiboly hebreo fa tsy efatra.

Ny Pentateoka [ hanova | hanova ny fango ]

Ny boky ao amin' ny atao hoe Pentateoka (avy amin' ny teny grika hoe pente : "dimy" sy teukhos : "horonana") na Boky dimin' i Mosesy (na Boky dimin' i Moizy ), izay antsoin' ny Jiosy koa hoe Lalana na Torah , dia ny Genesisy (na Jenezy ), ny Eksodosy (na Eksaody ), ny Levitikosy , (na Levitika ), ny Nomery (na Fanisana ), ary ny Deoteronomia (na Deoteronomy ).

Ny boky ara-tantara [ hanova | hanova ny fango ]

Ny bokin-tantara na boky ara-tantara dia ny Josoa (na Josoe), ny Mpitsara , ny Rota , ny Samoela voalohany , ny Samoela faharoa , ny Mpanjaka voalohany , ny Mpanjaka faharoa , ny Tantara voalohany , ny Tantara faharoa , ny Ezra (na Esdrasa ) ny Nehemia ary ny Estera . Ny Baiboly katolika dia ahitana boky fanampiny: ny Tobia , ny Jodita ary ny Makabeo voalohany sy faharoa izay atao hoe deoterokanonika (izany hoe "boky kanonika faharoa") nefa ataon' ny Protestanta hoe apokrifa ("miafina").

Ny bokim-pahendrena [ hanova | hanova ny fango ]

Ny bokim-pahendrena na bokim-pahamasinana, atao hoe koa Hagiografa, dia ny Joba (na Joba ), ny Salamo , ny Ohabolana , ny Mpitoriteny (na Kohelety ), ary Tononkiran' i Solomona ( Tononkira dia Tononkira na Tononkira Fanaperana ). Ny Baiboly Katolika dia mbola ahitana ny Fahendren' i Salomona (na Fahendrena ) sy ny Ekleziastika (na Siraka ) izay boky deoterokanonika na apokrifa.

Ny bokin' ny mpaminany [ hanova | hanova ny fango ]

Ny bokin' ny mpaminany dia misy sokajy roa, dia ny bokin' ny "mpaminany lehibe" sy ny bokin' ny "mpaminany madinika".

Mpaminany lehibe [ hanova | hanova ny fango ]

Efatra ny mpaminany lehibe, dia ny Isaia (na Izaia ), ny Jeremia , ny Ezekiela , ny Daniela , manampy azy ireo ny Bokin' ny Fitomaniana . Atao hoe "mpaminany lehibe" izy noho izy nanoratra lava miohatra amin' ny sasany izay atao hoe "mpaminany madinika". Ny Baiboly katolika dia ahitana koa ny Baroka izay boky deoterokanonika na apokrifa.

Mpaminany madinika [ hanova | hanova ny fango ]

Roa ambin' ny folo ny mpaminany madinika, dia: ny Hosea (na Osea ), ny Joela , ny Amosa (na Amosy ), ny Obadia (na Abdiasa ), ny Jona (na Jonasa ), ny Mika (na Mikea), ny Nahoma , ny Habakoka (na Habakoka) , ny Zefania (na Sofonia na Tsefania ), ny Hagay (na Akjea), ny Zakaria ary ny Malakia (na Malaky ). Atao hoe "mpaminany kely" izy ireo noho izy nanoratra kely.

Ny boky fanampiny ao amin' ny Baiboly kaolika no ataon' ny Katolika hoe deoterokanonika ("kanona faharoa") na ataon' ny Protestanta hoe apokrifa ("miafina"). Ireo boky ireo dia tsy hita ao amin' ny Baiboly hebreo ( Tanakh ) sy ny Baiboly protestanta. Manampy azy ireo ny toko fanampiny amin' ny Estera sy ny Daniela .

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]

Rohy ivelany [ hanova | hanova ny fango ]