Fitenim-pirenena

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Tenim-pirenena )

Ny fitenim-pirenena dia fiteny ho an' ny vahoaka ao amin' ny firenena iray manokana, fa miovaova ny fandraisana izany arakaraka ny firenena. Any amin' ny firenena sasany, ny fiteny iray dia mety manana ny satan' ny fitenim-pirenena araka ny lalana na araka ny safidin' ny governemanta. Mety ny lalana mihitsy no manondro ny fiteny iray ho fitenim-pirenena na tondroina fotsiny toy izany tsy misy lalana.

Mety mifangaro na tsia amin' ny fiteny ofisialy ny fitenim-pirenena arakaraky ny firenena. Misy ny fitenim-pirenena izay tsy fiteny ofisialy (tsy ampiasaina hiraketana ny raharaham-panjakana) ary misy ny fiteny ofisialy izay tsy fitenim-pirenana (tsy ampiasain' ny mponina amin' ny fifaneraserany andavananadro) ao amin' ny firenena iray.

Misy ny fiteny teratany ao amin' ny firenena iray izay sady tsy voaray ho fitenim-pirenena no tsy fiteny ofisialin' io firenena io.

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina .

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alalan'ny fanitarana azy .
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.