한국   대만   중국   일본 
Tarsa ? Wikipedia Aller au contenu

Tarsa

Avy amin'i Wikipedia

I Tarsa na Tarsosy na Tarsy dia tanana any atsimon' ny afovoan' i Torkia , 20 km miala ny Mediteranea , ao amin' ny faritra ara-tantaran' i Kilikia na Silisia (amin' ny teny tiorka : ?cel). Izy io dia ampahany amin'ny faritry ny renivohitra Adana-Mersin, faritra lehibe indrindra fahefatra ao Torkia misy mponina 3 tapitrisa. Atao hoe T?r?a izy amin' ny teny hitita , Ταρσ?? / Tarsos amin' ny teny grika , ?????? / Tarson amin' ny ?? teny armeniana , ary ???????? / ?ars?s amin' ny teny arabo .

Efa 6 000 taona ny tantaran' i Tarsa izay toerana manan-danja ho an' ny sivilizasiona isan-karazany nandritra ny taonjato maro. Nandritra ny Empira Romanina , i Tarsa no renivohitry ny faritany romanan' i Kilikia na Silisia. Tao no nisy ny fihaonana voalohany teo amin' i Marko Antonio sy i Kleopatra , ary toerana nahaterahan' i Paoly Apostoly. Ankehitriny i Tarsa dia distrika any amin' ny ilany atsinanan' ny Faritanin' i Mersin ao afovoan' ny Faritra Cukurova ao Torkia .