한국   대만   중국   일본 
Tanana-fanjakana ? Wikipedia Aller au contenu

Tanana-fanjakana

Avy amin'i Wikipedia

Ny tanana-fanjakana dia erana ara-jeografia fehezin' ny tanan-dehibe iray manokana, izay amin' ny ankpobeny manana ny fiandrianana. Ara-tantara dia isan' ny tanana-fanjakana i Roma sy i Atenay (na Atena) ary ireo tanana-fanjakana tao Italia. Vitsy ihany ny tanana-fanjakana mbola misy ankehitriny. Anisan' ny heverin' ny maro ho tanana-fanjakana i Singaporo , Monako ary i Vatikana .

Misy fanjakana hafa izay manana ireo toetra maha tanana-fanjakana ka heverina fa tanana-fanjakana moderna. Anisan' izy ireo i Malta sy i Bareina ary i San-Marino (Saint-Marin), izay fanjakana bitika ahitana mponina makitroka dia makitroka. Toraka izany koa i Katara sy i Broney ary i Koety , izay samy manana tanan-dehibe ahitana ny ampahany be amin' ny mponina, nefa misy tanana hafa miavaka tsara ankoatry ny renivohitra.

Maro koa ireo taban-dehibe tsy manana fiandrianana nefa manana fizakan-tena avo dia avo ka indraindray heverina ho tanana-fanjakana. Anisan' izany i Hong Kong sy i Macao, ary ireo tanan-dehibe sasany ao amin' ny Emirata Arabo Miray, indrindra i Dubai sy i Abou Dabi.