Ny
fiteny tamily
na
fiteny tamoly
dia fitenin' ny
vahoaka tamily
(
dravidianina
taloha) any
India
sy any
Srilanka
.
Fiteny ofisiali
n' i
Tamil Nadu
sy ny tananan' i
Pondichery
sy Karikal any India izy. Fiteny ofisialy any
Singaporo
ihany koa ny fiteny tamily. Olona miisa 74 tapitrisa mahery no miteny tamily eran-tany, araka ny voalazan' ny
World Almanac
1994
. Atao hoe ????? /
tamil
izy amin'ny fiteny tamily.
Fiteny anisan' ny
fiteny diravidianina
ny fiteny tamily izay anisan' ny fiteny tranainy indrindra eto an-tany. Tsy ary niova firy ilay fiteny na dia efa nisy 2 500 taona aza. Soratana amina soratra avy amin' ny soratra brahmy ny fiteny tamily.
Noho ny tsy fahaizan' ny olona manoratra sy mamaky teny tany
India
nandritry ny taonjato maromaro dia samihafa be ny endriky ny fiteny tamily tenenina (
koduntamil
) sy ny fiteny tamily soratana (
centamil
). Mitovy amin' izany koa, ny fianarana dia matetika atao am-bava fa tsy an-tsoratra, ary matetika miova ny fanononana ny teny arakaraky ny tanana, ary tsindraindray, tsy misy fifandraisana amin' ilay teny soratana intsony ilay teny tenenina.
Amin' ny ankapobeny, misy endriky ny fiteny tamily ampiasaina amin' ny haisoratra, ampiasain' ny gazety, ny boky, sns. manaraka ny
fitsipi-pitenenana
, ny
tsipelina
ary ny rafi-pitenenana, ary ny endriky ny fiteny tamilim-bahoaka, ampiasain' ny haino aman-jery (radio, fahitalavitra): izany dia azo lazaina hoe
diglossie
amin' ny
teny frantsay
. Ny fiteny tamilim-bahoaka dia mety miovaova arakaraka ny firenena, arakaraky ny faritany ary tsindraindray arakaraka ny tanana: na dia olona mifehy tsara ny fiteny tamily soratana, izany hoe ofisialy, dia mety tsy mahazo io fiteny io, matetika mampiasa fiteny vahiny (
lugej
= "entana", avy amin' ny
teny anglisy
hoe
luggage
,
zanti
= "mahafatifaty", avy amin' ny
teny frantsay
hoe
gentil
) navadika arakaraka ny fanononana tamily. Ny anton' io dia ny fisian' ny mpiteny tamily any ivelany, ampifangaroiny amin' ny fiteny tenenina eo amin' ny toerana onenany ny fiteny tamily. Ny fiteny tamily tenenina any
India
dia tamilim-bahoaka, ary ny fiteny tamily tenenina any
Srilanka
dia fiteny tamily mifandray kokoa amin' ny fiteny tamily soratana.
Hatry ny fanombohan' ny taonjato faha-20 dia nampifanakekezan' ny mpandini-pitsipi-pitenenana tamily ny fiteny tamily soratana sy ny fiteny tamily tenenina, fa mitazona ny mahasamihafa ilay fanoratana antitra be.