한국   대만   중국   일본 
Totemisma ? Wikipedia Aller au contenu

Totemisma

Avy amin'i Wikipedia
Tsatokazo voasokitra atao totema any Ottawa, Ontario, Canada

Ny totemisma dia finoana ny fisian' ny fanahin' ny razana na fanahy (mpiaro ny vondron' olona iray) izay mitoetra ao amin' ny atao hoe totema (izay mety zavatra voasokitra na biby na zavamaniry inoana fa manan-kasina). Lamin-kevitra sy famantarana ary fanao miorina amin' ny fifandraisan' ny olona na ny vondron' olona sy ny zavatra eny amin' ny zavaboary ny totemisma.

Fiforonan-teny [ hanova | hanova ny fango ]

Avy amin' ny teny amerindiana avaratra ( fiteny ojiboe ) hoe ototeman , izay manondro biby na zavamaniry na ny fanehoana an-tsary (hosodoko, sarivongana, sns) izany.

Na dia tany Amerika Avaratra aza no niavian' ny teny niforonan' ny hoe totemisma dia hita any ivelan' ity faritra ity koa io fomba io, ohatra amin' izany ny any Amazonia , ny any Aostralia , ny any Papoazia Ginea Vaovao , ny aty Afrika (ao amin' ny Dinka ), sns.

Ny totema [ hanova | hanova ny fango ]

Fanehoana am-panoharana ny razana na ny fanahy mpiaro ao amin' ny vondron' olona iray ny totema. Ity vondrona ity dia manam-pifandraisana ara-pinoana amin' ny biby masina , izay mpanome zava-tsoa sady miantoka ny firaisan' ilay vondrona. Any ivelan' i Afrika atsimon' i Sahara sy ivelan' i Oseania dia tanterahina amin' ny alalan' ny tsatokazo voasokitra sady misoratsoratra amin' ny loko maro ny totemisma any amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Amerika , indrindra ao amin' ny Tlingita any Alaska . Famantarana ny lohan' ny foko sy ny tarika ary ny fokom-pianakaviana misy azy ny sarim-biby mifanongoa voasokitra eny amin' ny hazo.

Matanjaka ao amin' ny Amerindiana sasany sy ao amin' ny tompon-tany aostraliana ny fifandraisana amin' ny alalan' ny totema. Ao amin' ny fiarahamonina misy azy dia matetika heverina ho namana sy havana manana hery tsy araka ny mahazatra sady hajaina ary ivavahana ny totema. Matetika mampitovy ny tenany amin' ilay totema, izay azo tondroina amin' ny anarana na famantarana manokana, ny olona ao amin' ny vondrona tompon' ny totema iray. Ny fitohitohizan' ny taranaka dia mety tafakatra hatrany amin' ny razana nahazoana ny totema tany am-boalohany, izay manjary famantarana an' ilay vondrona. Ankoatry ny fombafomba fanao amin' ny fikarakarana momba ny totema dia tsy azo atao ny mamono, ny mihinana na ny mikasika ilay totema. Milaza ho manam-pifandraisana mivantana sy maharitra amin' ny biby na zavamaniry atao totema ny samana sasany.

Petra-kevitra momba ny totemisma [ hanova | hanova ny fango ]

Maro ny adihevitra momba ny atao hoe totemisma nifanaovan' ny mamam-pahaizana. Ny ankamaroan' ny rijan-kevitra (teoria) natolotra tamin' ny taonjato faha-19 sy tamin' ny fiantombohan' ny taonjato faha-20 dia notsipahin' ny mpikaroka taty aoriana. Taloha dia noheverina ho fivavahana ny totemisma, na, fara faharatsiny, ho endri-piandohan' ny fanompoana ara-pivavahana, fa ankehitriny kosa dia heverina ho singan-kevitra ao amin' ny antropolojia , vokatry ny fisarahana araka epistemolojia sy tsy manam-pisiana azo tsapain-tanana. Eken' ny maro ankehitriny fa misy ny fifandraisana momba ny totema izay mety ahitana singa ara-pivavahana toy ny fivavahana amin' ny razana sy ny animisma ary ny finoana ny fisian' ny fanahy .

Ankehitriny dia misy antropologa milaza fa fomba fitahirizana ahafahan' ny olona mampifanaraka ny fiainany amin' ny tontolo ara-boajanahary manodidina azy ny totemisma aostraliana.

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]