한국   대만   중국   일본 
Sardinia ? Wikipedia Aller au contenu

Sardinia

Avy amin'i Wikipedia
I Sardiania any Italia

I Sardinia dia nosy any amin' ny Ranomasina Mediteranea ary faritra any Italia , izay any andrefan' ny tanibe Italia, atsimon' i Korsa . Ny renivohiny dia ny tananan' i Cagliari . Amin' ny teny italiana izy dia atao hoe Sardegna , fa amin' ny teny sarda kosa dia Sardigna .

I Sardinia no nosy faharoa lehibe indrindra ao amin' ny Ranomasina Mediteranea ary faritra mizaka tena manana sata manokana ao Italia izay ny anarana ofisialy dia "Faritra mizaka tena an' i Sardinia" (amin' ny teny italiana: Regione Autonoma della Sardegna , amin' ny teny sardiniana: Regione Autonoma de Sardigna ). Ny sata manokana ananany, voarakitra ao amin' ny lalam-panorenan' ny taona 1948 dia miantoka ny fozakanan' ny fitantanan' ireo andrim-panjakana eo an-toerana sy ny fiarovana ny maha izy azy ny ara- poko ama-piteny sy ara- kolontsaina .

I Sardinia, nisaraka amin' i Korsa ei amin' ny vavan' i Bonifacio , dia eo afovoan' ny Ranomasina Mediteranea andrefana: io toerana afovoany io dia nanamora ny fifandraisana ara-barotra sy ara-kolontsaina hatramin' ny Andro Taloha ary koa ny tombontsoa ara-toekarena, ara-miaramila ary ara-pizaran-tany, avy eo ny maha miavaka ny toerana fizahan-tany.

Amin' izao andro ankehitriny izao, tamin' ny fahitana ny fitsangantsanganana any Sardinia, izay ahitana toe-paritra mahaliana, eo anelanelan' ny ranomasina sy ny tampon-tendrombohitra, toy ny any amin' ny nosy mediterane hafa, dia mpanoratra maro no nanandratra ny hakanton' i Sardinia, izay mbola mitazona, na dia eo aza ny fanitarana ny fizahan-tany any Sardinia amin' ny morontsiraka, tontolo iainana arovana ary lova manan-danja, anisan' izany ny sisa tavela amin'ny kolontsaina norajika.