한국   대만   중국   일본 
Solomona ? Wikipedia Aller au contenu

Solomona

Avy amin'i Wikipedia
Solomona mpanjaka, sary nataon' i Isaak Askenazy, taonjato faha-19.

I Solomona na Salomona dia mpanjaka fahatelo tao Israely nandimby an' i Davida rainy teo anelanelan' ny taona 970 sy 931 tal. J.K. Ny Baiboly no ahitana ny ankabeazan' ny tantaran' i Solomona, izay voalaza fa mpanjaka hendry, araka ny Boky voalohan' ny Mpanjaka . Nanjakan' ny fandriam-pahalemana sady nanan-karena ny fanjakany ary izy no voalazan' ny Baiboly fa nanorina ny Tempolin' i Jerosalema voalohany izay atao hoe Tempolin' i Solomona [1] izay natolony ho an' i IHVH Andriamantr' i Israely (1Mpanj. 5.3; 8.20).

Teraka tamin' ny taona 1011 tal. J.K. tao Jerosalema ary maty amin' ny taona 931 tal. J.K. tao ihany koa izy. I Davida no rain' i Solomona. Ny vadiny dia Naama, zanakavavin' ny farao Siamona. Ny zanany dia i Rehoboama sy i Menelika I .

Maro ireo boky izay lazain' ny lovantsofina fa nosoratan' i Solomona ka ny fantatra indrindra dia ireo ao amin' ny Baiboly, dia ny Bokin' ny Ohabolana sy ny Tononkiran' i Solomona ary ny Bokin' ny Mpitoriteny . Ao koa ireo boky apokrifa izay mitondra ny anarany.

Ny amin' ilay anarana [ hanova | hanova ny fango ]

Ny anarana hoe Solomona na Salomona dia fanagasiana ny anarana amin' ny teny anglisy hoe Solomon na amin' ny teny frantsay hoe Salomon , ka ny hoe Solomon dia avy amin' ny teny grika hoe Σολομ?ν / Solomon fa ny hoe Salomon dia avy amin' ny teny latina hoe Salomon . Izy roa ireo dia avy amin' ny anarana hebreo hoe ????????? / Shlomoh na Shelomoh. Amin' ny teny siriaka kosa dia ??????? / Shlemun ; fa amin' ny teny arabo dia ???????? / Sulayman , na Siliman na Sleman .

Araka ny Boky voalohan' ny Tantara (1Tant. 22.9) dia atao hoe Solomona na Salomona izy satria hitondra ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana (hebreo: shalom "fiadanana" na "fandriam-pahalemana") eo amin' ny tanin' i Israely. Ny dikan' io anarana io dia "ny Fiadanany", izay mampahatsiahy an' Andriamanitry ny Shalom , na ny "fahafenoana" na ny "fahatanterahana", izay tsy iainana raha tsy misy ny fandriam-pahalemana [2] .

Ny tantaran' i Solomona araka ny Baiboly [ hanova | hanova ny fango ]

Ny tantaran' i Solomona araka ny Baiboly [ hanova | hanova ny fango ]

Ny fahazazan' i Solomona [ hanova | hanova ny fango ]

Teraka tao Jerosalema i Solomona (1Tant. 14.4) ary zanaka faharoan' i Davida tamin' i Batseba (na Betsabe), vady navelan' i Oria (ilay Hitita miaramilan' i Davida ihany). Ny zokiny iray tampo aminy dia maty mba hanasaziana an' i Davida tamin' ny nanaovany izay hahafaty an' i Oria tany an' ady, satria notorontoronina tamin' ny fijangajangana fahavelon' i Oria. Taorian' ny nahazoan' i Davida famelan-keloka no nahaterahan' i Solomona. Nanana rahalahy telo iray tampo aminy voatonona anarana koa i Solomona, dia i Natana sy i Samoa ary i Sobaba, ankoatr' ireo lehilahy zokiny miisa enina hafa reny aminy nateraky ny vady maron' i Davida (1Tant. 3.5).

Fiakarana eo amin' ny fanjakana [ hanova | hanova ny fango ]

Rehefa antitra i Davida dia saika nanambara tena ho mpanjaka i Adonia nefa i Solomona ihany no lasa mpanjaka tamin' ny farany tamin' ny faha-40 taona nanjakan' i Davida. Nasain' i Davida nanosotra an' i Solomona (izay mbola 12 taona na 15 [3] ) ho mpanjaka i Zadoka (na Sadoka) raha teo am-piandrasana ny fotoana hahafatesany i Davida sady namela hafatra tamin-janany (1Mpanj. 2.1). Mpanjakan' i Israely faha-3 i Solomona, taorian' i Saoly sy i Davida rainy.

Ny fahendren' i Solomona [ hanova | hanova ny fango ]

Ny Fitsaran' i Solomona , sary tanaon' i Peter Paul Rubens, taona 1617

Izao ny filazana momba ny fahendren' i Solomona ao amin' ny Baiboly, araka ny Boky voalohan' ny Mpanjaka (1Mpanj. 5.10-14)

"10 Ary ny fahendren' i Solomona nihoatra noho ny fahendren'ny zanaky ny atsinanana rehetra sy ny fahendren' ny Egyptiana rehetra. 11 Fa hendry noho ny olona rehetra izy; eny, hendry mihoatra noho Etana Ezrahita sy Hemana sy Kalkola sy Darda, zanak' i Mahola, aza izy ary ny lazany efa niely tamin' ny firenena rehetra manodidina. 12 Nanao ohabolana telo arivo izy, sady nanao tonon-kira dimy amby arivo. 13 Ary nilaza ny amin' ny hazo hatramin' ny hazo sedera any Libanona ka hatramin' ny hysopa izay maniry eny amin' ny ampiantany izy, sady nilaza ny amin' ny biby sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka ary ny hazandrano koa. 14 Ary dia nisy tonga avy tany amin' ny firenena rehetra mba hihaino ny fahendren' i Solomona, dia avy amin' ny mpanjakan' ny tany rehetra izay efa nahare ny amin' ny fahendreny." [4] ( Ny Baiboly )

Ny nofin' i Solomona, sary nataon' i Luca Giordano

Heverina ho ny tena hendry indrindra amin' ny olombelona rehetra tamin' izay fotoana i Solomona amin' ny fahaizany mitsara amim-pahendrena, araka ny fangatahany tamin' Andriamanitra ny mba hanome azy fo mahay mihaino (2Tant. 1.7-12). Ao amin' ny Boky voalohan' ny Mpanjaka (1Mpanj. 3.16-28) dia tantaraina ny fifandirana nisy teo amin' ny vehivavy roa izay samy niteraka zazalahy izay avy. Ny zaza iray dia maty nandritra ny alina ka nitondra ny zaza sisa velona teo anatrehan' ny mpanjaka izy roa hahafantarana ny tena reniny. Nalaza izany fomba fitsarana izany.

Fandriam-pahalemana sy fandrosoana ara-toekarena [ hanova | hanova ny fango ]

Tempolin' i Solomona , sary natao tamin'ny taona 1899.

Tamin' ny fanombohan' ny naha mpanjaka an' i Solomona dia maro ireo fanoherana sy fikomiana niseho tao amin' ny fanjakany izay tsy maintsy natrehiny. Nataony izay hahafoana ireo mpiandany amin' i Adonia rahalahiny ka nisesitany i Abiatara mpisorona fa i Joaba kosa novonoina.

Nanararaotra ny fahafatesan' i Davida ny farao Siamona mba hanafika an' i Palestina ka nalainy sady nopotehiny ilay tanana atao hoe Gezera. Nisafidy ny hanao fifanaraham-pilaminana anefa izy rehefa tonga teo anatrehan' ny tafik' i Solomona. Nomeny ho vadin' i Solomona ny zanany vavy iray ka ny tanana Gezera no nataony fanomezana miaraka amin' izany. Tsy nanafika ny tanan' ny Filistina i Solomona. Nanao fifanarahana amin' ny farao Siamona i Solomona izay nahafahany namaritra ny sisin-tany atsimon' ny fanjakany izay mahafaoka an' i Gezera lasa ampahan' ny tanin' i Israely. Nandefa tafika tany amin' ny tany Hamata sy Zoba i Solomona mba hifehezany an' i Tadmora ( Palmira ) sy ny lalana falehan' ireo mpivarotra mandeha miaraka marobe mitaingim-biby.

Nanjakan' ny fandriam-pahalemana sy ny firoborobon' ny toekarena ny fotoana naha mpanjaka an' i Solomona. Nanao fanorenana lehibe ny mpanjaka ka isan' izany ny Tempoly sy ny mandan' i Jerosalema. Izy no nanorina ny Tempoly voalohany tao Jerosalema tamin' ny faha efa-taonan' ny nanjakany ka vita tao anatinan' ny fito taona sy sasany izany. Voasolo tempoly ny tabernakely ka io no nanjary foiben' ny fanompoam-pivavahana azon' ny rehetra atrehina.

Ny fitantanan-draharaha nimasoan' i Solomona dia mahakasika ny raharaham-barotra indrindra. Notohizany ny fifandraisan-drainy tamin' ilay Foinikiana (na Fenisiana ) Hirama mpanjakan' i Tiro (na Tira). Nandefa iraka koa izy nankany Tarsosy sy Ofira (na Sofira) mba hifampiraharaha ara-barotra momba ny fanafarana volamena sy volafotsy sy vatosoa sy rajako sy vorombola sy zava-tsarobidy hafa koa (1Mpanj. 9.28; 10.11; 1Tant. 29.4; 2Tant. 8.18; 9.10; 1Mpanj. 22.48). I Solomona no nanan-karena be indrindra tamin' ireo mpanjaka nifandimby tao Israely, noho izany rehetra izany, araka ny voasoratra ao amin' ny Baiboly .

Araka ny Baiboly dia tafakatra teo amin' ny famirapiratany sy ny tanjany ara-toekarena ny Fanjakan' i Israely nandritra ny 40 taona nanjakan' i Solomona. Tanatin' ny iray taona i Solomona dia nahangona volamena 666 talenta, izany hoe 18 125 kg (1Mpanj. 10.14).

Fifandraisany tamin' ny mpanjakavavin' i Saba [ hanova | hanova ny fango ]

Fitsidihan' ny mpanjakavavin' i Saba ny mpanjaka Solomona, sary nataon' i Edward Poynter, taona 1890

Araka ny Baiboly, rehefa nahare ny lazan' ny fahendrena sy ny haren' i Solomona ny mpanjakavavin' i Saba na Seba (hebreo: ???????????????? / Malkat-Sh??? ) dia nanapa-kevitra ny hihaona aminy. Nitondra rameva novesarana fanomezana ny mpanjakavavy ka isan' izany ny volamena sy ny vatosoa ary ny zava-manitra fanao amin' ny sakafo. Nametra-panontaniana sy nanao ankamantatra tamin' i Solomona ny mpanjakavavy ka variana tamin' ny valin-ten' ny mpanjaka izay mampiseho fahendrena (1Mpanj. 10.1-13). Tamin' izany dia nomen' i Solomona azy ny zavatra rehetra niriny sy nangatahiny ka afa-po izy. (1Mpanj. 10.10). Izany fitantarana izany dia niteraka lovantsofina maro hafa koa ka isan' izany ny tantaran' ny mpanjaka tao Etiopia izay lazain' ny lovantsofina fa taranak' i Solomona tamin' ny mpanjakavavin' i Saba.

Ny fahalemen' i Solomona [ hanova | hanova ny fango ]

Araka ny Baiboly , ao amin' ny Boky voalohan' ny Tantara dia nanana vady 700 sy vadintsindrano 300 i Solomona (1Tant. 11.3). Maro ny vehivavy tsy Israelita tamin' ireo vadiny ireo ka nisy ny Egiptiana , ny Moabita , ny Amonita , ny Edomita , ny Sidoniana , ary ny Hitita . I Naama, vehivavy Amonita, no voatonona anarana tamin' ireo vadin' i Solomona ireo, io no renin' i Rehoboama , zanaka nandimby an' i Solomona teo amin' ny fitondrana (1Mpanj. 14.21-31; 2Tant. 12.13). Ny fanambadiany an' ilay zanaka vavin' ny farao dia nanamafy ny fihavanana ara-politika teo amin' i Solomona sy i Egipta .

Navelany hiroborobo teo amin' ny taniny ny fivavahan' ny Jentilisa nentin' ireo vadiny maro ireo (1Mpanj. 11.4-5) ka nisy ny nanorina tempoly ho an' i Astoreta (na Astarte ) sy Moloka (na Moleka) (1Mpanj. 11.5; 11.33; 2Mpanj. 23.13). Tsy nanaja ny fanekena nifanaovana tamin' Andriamanitra i Solomona, dia ny tsy tokony hananany andriamani-kafa , ka niteraka ny fahatezeran' Andriamanitra izany (1Mpanj. 11.9-13).

Tamin' ny fiafaran' ny fanjakany dia naka hetra be loatra sy ny nampanao asa fanompoana i Solomona ka niteraka fanoherana izany izay niafara tamin' ny fizaran' ny fanjakana ho roa taorian' ny nahafatesany (taona 931 tal. J.K.), dia ny Fanjakan' i Samaria ao avaratra sy ny Fanjakan' i Joda ao antsimo.

I Solomona araka ny finoana silamo [ hanova | hanova ny fango ]

Ao amin' ny finoana silamo , tsy tahaka ny jodaisma sy ny kristianisma , i Solomona dia nanaiky tanteraka ny Tompo, amin' ny maha mpaminany-mpanjaka izay nomen' Andriamanitra Fahalalana. Malaza ho tia fivavahana sy mahay miresaka amin’ ny biby izy, indrindra fa aomin' ny vorona.

Nantsoina hoe Sulayman i Solomona ao amin' ny Kor'any , endrika avy amin' ny teny siriaka . Io anarana io dia fantatra nanomboka tamin' ny vanim-potoana talohan'ny silamo ka hatramin' ny taonjato fahenina. Izy io dia hita ao amin' ny sora koranika fito, manome sombiny amin' ny tantaran' i Solomona. Ny Sorata 21, ohatra, dia mitantara fisehoan-javatra iray izay nanehoan' i Solomona fahaizana tamin' ny fitsarana teo amin' ny mpamboly sy ny mpiandry ondry.

Lohahevitra efa hita ao amin' ny angano momba an' i Solomona talohan' ny finoana silamo ny fahefana ananany amin' ny jiny (indrindra ny jiny tsy mino: ny shayatin ). Ny jiny mino dia natokana ho azy. Ny Kor'any koa dia nitantara ny fananganana ny oazisi n' i Palmyra nataon' i Solomona sy ny fanampian' ny shayatin . Lohahevitra iray hafa ny fitsidihan' ny mpanjakavavin' i Saba na Seba antsoina hoe Bilqis araka ny lovantsofina silamo. Amin' ity tantara ity dia nanainga ny sisin' ny akanjony izy mba handeha amin' ny vato mamirapiratra izay noheveriny ho rano. Ao amin' ny Kor'any, ny mpanjakavavin' i Saba dia niova ho silamo.

Amin' ny Mozilmana dia natao hanitsiana ny Baiboly ny lahatsoratra koranika momba an' i Solomona. Araka izany, ao amin' ny andininy faha-102 amin' ny Sorata faha-2 dia voalaza mazava fa tsy atao hoe tsy mpino i Solomona.

Boky amin' ny anaran' i Solomona [ hanova | hanova ny fango ]

Satria nalaza tamin' ny fananany fahendrena ny mpanjaka Solomona dia maro ny boky ao amin' ny Baiboly na ivelan' ny Baiboly izay heverina araka ny lovantsofina fa nosoratany na nosoratana tamin' ny anarany.

Boky protokanonika [ hanova | hanova ny fango ]

Ao amin' ny Baiboly dia ahitana boky heverina araka ny lovantsofina fa nosoratan' i Solomona. Hita ao amin' ny Baiboly kristiana rehetra sy ny Baiboly jiosy amin' ny teny hebreo ( Tanakh ) ny telo, dia:

Boky deoterokanonika [ hanova | hanova ny fango ]

Ao koa ny boky deoterokanonika izay tsy hita afa-tsy ao amin' ny Baiboly katolika sy Baiboly ortodoksa , dia:

Boky apokrifa na pseodepigrafa [ hanova | hanova ny fango ]

Maromaro ny boky amin' ny anaran' i Solomona izay tsy voaray ho anisan' ny kanonan' ny Baiboly fa heverina ho apokrifa na pseodepigrafa na ho an' ny Kristiana na ho an' ny Jiosy, dia:

Taranak' i Solomona ao Etiopia ? [ hanova | hanova ny fango ]

Araka ny tantara lovantsofina etiopiana izay nosoratana nanomboka tamin' ny taonjato faha-13 na faha-14 [6] sady notaterin' ny Kebra Nagast [7] , dia nanan-janaka tamin' ny mpanjakavavin' i Saba i Solomona [8] : tsy iza izany fa ny mpanjaka Menelika I na Bayna L?hk?m amin' ny fiteny gezy . Zanaka lahy voalohan' i Solomona izy sady mpandimby an-dreniny teo amin' ny fanjakana. Izy hono no nahatonga ny fanjakany hiova finoana ho amin' ny jodaisma [9] . Araka io lovantsofina io dia nanana zanaka lahy roa hafa koa i Solomona tamin' ny vadiny roa hafa: i Rehobohama izay nandimby an' i Solomona, sy i Adramisy izay nanambady an' i Adlonia zanaka vavin' i Baltasara na Baltasora [9] mpanjakan' i Bizantioma na i Roma izay nodimbiasiny [10] .

Izany fitantarana izany dia ahafahana hilaza ny fiaviana jiosin' ny kristianisma etiopiana sady ilazana ny fahambonian' izany kristianisma izany raha mitaha amin' ny jodaisma, na amin' ny lafiny ara-pivavahana na amin' ny lafiny ara-politika [11] sady koa ahafahana manao ny fampielezan-kevitra ho enti-manjakazaka amin' ny fanorenana ny maha efa ela azy sy ny fahefany [6] .

I Solayman, araka ny finoana silamo [ hanova | hanova ny fango ]

I Solomona (na Solayman ) dia aisan' ny mpaminanin' ny finoana silamo . Ao amin' ny boky Kor'any dia ny sorata faha-27 no miresaka ny amin' i Solayman, izay sady mpaminany no mpanjaka sahala amin' i Davida (na Dawud ). Voaresaka ao ny fifandraisany amin' ny mpanjakavavin' i Seba [12] . Maro koa ny sorata izay miresaka ankolaka [13] ny fitsapana sy ny fahefana izay nomen' Andriamanitra azy, nefa izany fahefana izany dia niseho, araka ny anganom-bahoaka, tamin' ny alalan' ny endrika mahagagan' ny tombokasen' i Solomona .

Araka ny Kor'any dia tsy mba isan' ny tsy mpino i Solayman ary tsy nahatonga ny fahatezeran' i Allah :

"Ary [ny olona] nanaraka izay tantarain' ny devoly hanaratsiana ny fanjakan' i Solayman. Nefa tsy i Solayman na oviana na oviana no tsy nino fa ny devoly".

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]

Mpanjakan' i Israely

Saoly - Isboseta - Davida - Solomona (na Salomona) - Jeroboama I - Nadaba - Baasa (na Basa) - Ela - Zimry - Omry - Ahaba (na Akaba) - Ahazia (na Okoziasa) - Jorama - Jeho - Joahaza (na Joakaza) - Joasy (na Joasa) - Jeroboama II - Zakaria - Saloma - Menahema - Pekahia (na Faseia) - Peka (na Fasea) - Hosea (na Osea).

Mpanjakan' i Joda

Saoly - Isboseta - Davida - Solomona (na Salomona) - Rehoboama (na Roboama) - Abiama (na Abia) - Asa - Josafata - Jehorama (na Jorama) - Ahazia (na Okoziasa) - Atalia - Joasy (na Joasa) - Amazia (na Amaziasa) - Ozia (na Oziasa na Azaria na Azariasa) - Jotama - Ahaza (na Akaza) - Hezekia (na Ezekiasa) - Manase - Amona - Josia (na Josiasa) - Joahaza (na Joakaza) - Joiakima (na Joakima) - Joiakina (na Joasina na Jekonia na Jekoniasa) - Zedekia (na Sedekiasa).

Rohy ivelany [ hanova | hanova ny fango ]

  • Ao amin'i Freebase: [1]

Loharano sy fanamarihana [ hanova | hanova ny fango ]

  1. Barton, George A. (1906). "Temple of Solomon". Jewish Encyclopedia . pp. 98?101. Notsidihina 24/10/2018.
  2. Shlomo Zalman Elazer Grafstein, Judaism's Bible. The Book of Genesis , Spirit of the Desert Productions, 1999, p. 232.
  3. Wiersbe, Warren (2003). The Bible Exposition Commentary, Volume 1 . Eastbourne: Cook Communications. p. 496. ISBN 9780781435314.
  4. Andininy nalaina tao amin'ny Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy ( Ny Baiboly ).
  5. Ao amin'ny Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy ( Ny Baiboly ) dia Tononkiran'i Solomona no iantsoana io boky io. Ao amin'ny Baiboly katolika amin'ny teny malagasy mahazatra ( Ny Baiboly Masina ) dia Tononkira dia Tononkira no iantsoana io boky io fa amin'ny Baiboly katolika vaovao ( Ny Baiboly Masina ) dia Tononkira Fanaperana .
  6. 6,0 et 6,1 Muriel Debie, "Le Kebra Nagast ethiopien: Une reponse apocryphe aux evenements de Najran ?", dans J. Beaucamp, F. Briquel Chatonnet et C.J. Robin (eds.), Le massacre de Najran : Religion et politique en Arabie du Sud au vi e siecle , vol. II : Le massacre de Najran, Centre de Recherche d’Histoire et Civilisation de Byzance, 2010, p. 264
  7. Kebra Nagast ("Voninahitry ny mpanjaka") (??? ????), dia fitantarana amin'ny fiteny gezy nanomboka tamin'ny taonjato faha-13, izay vita soratra tamin'ny taonjato faha-14. Ny lahatsoratra dia milaza fa fandikan-teny avy amin'ny lahatsoratra fototra amin'ny teny kopta hita taty aoriana tamin'ny taona 325 tao amin'ny tahirin-tsoratr'i Sainte-Sophie ao Konstantinopoly, izay namerina nitantara zavatra ao amin'ny Testamenta Taloha, nasiana tantara lava fanampiny mampanantena fa hanjaka amin'ny antsasak'izao tontolo izao ny mpanjaka Etiopiana taranak'i Solomona.
  8. Ao amin'ny Testamenta Vaovao dia miresaka azy amin'ny fampiasana ny hoe "mpanjakavavy avy tany atsimo" ny Evanjelin'i Lioka (Lio. 11.31).
  9. 9,0 et 9,1 Marie-Laure Derat, Le domaine des rois ethiopiens, 1270-1527 : Espace, pouvoir et monarchisme , Les publications de la Sorbonne, 2003, p. 60-61
  10. Muriel Debie, "Le Kebra Nagast ethiopien: Une reponse apocryphe aux evenements de Najran ?", dans J. Beaucamp, F. Briquel Chatonnet et C.J. Robin (eds.), Le massacre de Najran : Religion et politique en Arabie du Sud au vi e siecle , vol. II : Le massacre de Najran, Centre de Recherche d’Histoire et Civilisation de Byzance, 2010, p. 267
  11. Muriel Debie, "Le Kebra Nagast ethiopien: Une reponse apocryphe aux evenements de Najran ?", dans J. Beaucamp, F. Briquel Chatonnet et C.J. Robin (eds.), Le massacre de Najran : Religion et politique en Arabie du Sud au vi e siecle , vol. II : Le massacre de Najran, Centre de Recherche d’Histoire et Civilisation de Byzance, 2010, p. 269
  12. Atao hoe Bilqis ny anaran'ny mpanjakavavin'i Saba ao amin'ireo Hadita.
  13. Jereo ny Sorata 21.81-82; 27.17; 34.12-14; 38.29-39.