|
Rouhollah Khomeini
|
Ankapobeny
|
Anarana
|
Rouhollah Khomeini
|
Teraka
|
22 Septambra 1902
|
Maty
|
3 Jiona 1989
|
Fiaviana sy ny andraikitra
|
Firenena
|
Iran
|
Asa
:
|
|
Fiainana manokana
|
|
I
Ruhollah Khomeini
dia mpitarika ara-pivavahana ao amin’ ny
finoana silamo
siita
, sady mpanao politika, poeta iranana, teraka tamin' ny 22 Septambra 1902 tao
Khomein
ary maty ny tamin' ny 3 Jiona 1989 tao
Teheran
any
Irana
. Mpanorina sady Mpitarika Faratampon' ny Revolisiona Islamika tao i Irana izy tamin' ny taona 1979 ka hatramin' ny 1989.
Fiakarany teo amin'ny fitondrana sy fanaovana sesitany azy
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Teraka tao
Khomein
i Ruhollah Khomeini, nianatra
teolojia
sy famakafakana ny
Kor’any
tao
Qom
, tanana masin' ny siisma. Lasa mpampianatra ny ny lalana koranika (
ayatollah
) izy, dia nampianatra indray, ka lasa isan' ny olo-manan-kaja indrindra amin' ny mpitondra fivavahana siita. Nanohitra ny tarana-mpanjaka
Pahlevy
izy, ka namolavola tsangan-kevitra hanoherana ny fitondra-mpanjaka sy hanoherana ny Tandrefana ary nanohana ny fidirana an-tsehatry ny mpitondra fivavahana amin' ny sehatra ara-politika sy ara-tsosialy.
Tsy nilefitra amin' ny fanoherana ara-politika laika ny fitondran' i
Mohammad Reza Shah
, fa i Khomeini kosa nitombo hery. Nosamborina izy tamin' ny taona 1963, voampanga ho tao ambadiky ny fikasana hamono ny shah, sy mpanentana ny fanafahana vehivavy izay heverin' ny ayatollah fa mifanohitra amin' ny hafatry ny
Kor’any
. Natao sesitany tany
Torkia
aloha izy, ary nanorim-ponenana tany
Iraka
ny taona nanaraka (1964), ary nanohy ny fampianarany tao amin' ny tanana masin' i Najaf. Namolavola foto-pampianarany ara-politika sy ara-pivavahana i Khomeini, izay nanakoan’ny hevitry ny Rahalahy Mozilmana. Nanohana ny fananganana governemanta tarihin' ny mpitondra fivavahana siita izy, nitarika ny fiarahamonina iraniana hifanaraka amin' ny foto-kevitra fototry ny
finoana silamo
.
Ny fiantraikan’ny hevitr’ i Khomeini dia nitombo tao amin' ny fianakaviambe siita ao Iraka, izay betsaka indrindra ao amin’ ilay firenena, koa dia voaroaka ny ayatollah tamin' ny taona 1978. Nialokaloka tany
Frantsa
, tany amin’ ny iray amin’ ny tanana manodidina an' i
Paris
. Avy ao amin' ny toerana naha sesitany azy vaovao izy no nanohy ny tolona niadiany amin' ny fitondran' ny shah sy ny mpanohana azy indrindra, dia i
Etazonia
.
Niverina tamim-pandresena any amin' ny fireneny tamin' ny Febroary 1979 izy, taorian' ny fianjeran' ny shah, ka ny ayatollah Khomeini no nandray ny fitarihana ny . Tamin'ny volana Avrily dia nambarany fa teraka ny Repoblika Islamika sady izy no lasa Mpitarika Faratampony azy. Niantehitra tamin' ny Antokon’ ny Repoblika Islamika sy tamin' ireo “Mpiambina ny Revolisionera” (
pasdaran
) mafana fo izy ka nanao ny hampanjakana ny
fivavahana silamo
teo amin’ ny fiainan’ ny Iraniana.
Ny Lalam-panorenana vaovao, izay nankatoavin’ ny
fitsapan-kevi-bahoaka
tamin' ny Desambra, no nanamafy ny firosoana amin’ ny revolisiona. Ity fanjakana vaovao ity dia mifototra amin' ny lalana silamo
Sharia
, sy amin' ny foto-kevitry ny
velayat-e-faqih
("fitondran' ny olon-kendry ara-pivavahana"), izay nanamafy ny fahefana tsy refesi-mandiny ananan’ ny fivavahana amin' ny politika.
Tamin' ny Novambra 1979 dia nandrisika ny mpianatra mahery fihetsika hanafika ny masoivohon' i
Etazonia
ao
Teheran
ny fitsikerana miharo fanaratsiana nataon’ i Khomeini manohitra an' i Etazonia. Olona fitopolo, anisan' izany ny Amerikana enimpolo, no natao takalon' aina hatramin' ny Janoary 1981. Ny ady nataon' i
Iraka
tamin' i
Irana
tamin' ny Oktobra 1980 dia nahafahan' i Khomeini nanainga ny fitiavan-tanindrazana iraniana.
Nandritra izany fotoana izany dia nesoriny ny mpanohitra azy, tamin’ ny alalan’ ny Antenimiera no nanonganany ny filohan' ny Repoblika,
Bani Sadr
, tamin' ny 1981, ary nampiharany famoretana ny mpanohitra laika sy ny mpanohitra
kiorda
, ary ny mpanohitra ara-pivavahana mandanjalanja. Niezaka nitondra ny revolisiona islamika any ivelan’ ny firenena ihany koa ny fitondrana, ka namatsy vola sy nanohana ny fampihorohoroana manohitra ny
Tandrefana
.
Tamin' ny Aogositra 1988 dia voatery nanaiky ny fampitsaharana ady tamin' i
Iraka
ny fitondran’ i Khomeini, fampitsaharana ady noteren’ ny Filankevi-Piarovan’ ny
Firenena Mikambana
. Na dia eo aza ny fahavoazana ara-toekarena sy ny hamaroan’ ny aina nafoy tamin'ny ady Irana-Iraka sy ny fifandrafian' ny fahefana eo amin' ny radikaly sy ny antonony, dia tsy voatohintohina mihitsy ny fahefan' i Khomeini.
Taloha kelin' ny nahafatesan’ i Khomeini, izay Mpitarika Faratampony, dia namoaka didy ara-pivavahana (
fatwa
) manamelok ho faty ilay mpanoratra britanika
Salman Rushdie
, voampanga ho nanevateva ny finoana silamo tao amin' ny bokiny mitondra ny lohateny hoe
The Satanic Verses
. Miozolomana siita an' arivony no nanao fihetsiketsehana manerana izao tontolo izao, nanohitra an’ ilay mpanoratra. Ny olona arovan’ i Khomeini, Ali Khamenei, no nandimby azy ho Mpitarika Faratampon' ny Revolisiona.
Ny zanany dia i Mostafa Khomeini sy i Ahmad Khomeini.