한국   대만   중국   일본 
Rasionalisma ? Wikipedia Aller au contenu

Rasionalisma

Avy amin'i Wikipedia

Ny rasionalisma , amin' ny sehatry ny filozofia , dia fomba fijery epistemolojika izay iheverana ny saina ho loharanom-pahalalana lehibe indrindra sy fitaovam-pisedrana ny fahalalana, fomba fijery manao ny saina ho hany loharanom-pahalalana na fanamarinana, ka matetika mifanohitra amin' ny loharanom-pahalalana hafa toy ny finoana , ny lovantsofina , na traikefa avy amin' ny fahatsapana. Ny rasionalisma dia fomba fiasa (metodolojia) na rijan-kevitra (teoria) ka ny mason-tsivan' ny fahamarinana ekena dia tsy ara-pahatsapana fa ara-tsaina sy manaraka ny fanatsoahan-kevitra hentitra.

Tamin' ny adihevitra filozofika lehibe nandritra ny Taonjaton' ny Fahazavana , ny rasionalisma dia nanohitra ny empirisma . Amin' ny lafiny iray, ny rasionalisma dia nanantitrantitra fa ny fahalalana dia efa misy hatrany am-bohoka ary ny saina, izay fahaiza-manao ao anatin' ny olombelona, dia afaka mahazo fahamarinana mivantana na afaka manatsoaka fahamarinana araka ny lojika; etsy ankilany kosa dia nanantitrantitra ny mpombany empirisma fa ny fahalalana dia tsy avy any am-bohoka fa azo indrindra amin' ny alalan' ny fandinihana tsara ny tontolo tsapa ivelan' ny saina, izany hoe amin' ny alalan' ny traikefa azo avy amin' ny fitaovam-pahatsapana. Nanamafy ny rasionalista fa misy foto-pitsipika sasany ao amin' ny lojika , ao amin' ny matematika , ao amin' ny etika ary ao amin' ny metafizika izay tena marina tokoa ka ny fandavana azy ireo dia miteraka fifanoheran-kevitra anaty. Ny rasionalista dia nanana fahatokisana ambony ny saina ka milaza fa ny porofo ara-panandramana sy ara-pizika dia noheverina ho tsy ilaina mba hamantarana ny fahamarinana sasany - amin' ny teny hafa dia misy fomba ahazoana ny voan-kevitra sy ny fahalalana ananantsika dia tsy miankina amin' ny traikefa ara-pahatsapana.

Ny ambaratonga samihafa amin' ny fanantitranterana an' io fomba fiasa na rijan-kevitra io dia mitarika ho amin' ny fomba fijery rasionalista isan-karazany, manomboka amin' ny fiheverana antonony izay ilazana fa "ny saina dia mitana ny laharana voalohany eo alohan' ny fomba hafa ahazoana fahalalana", ka mankany amin' ny fiheverana faran' izay ambony indrindra izay ilazana fa ny saina no "lalana tokana mankany amin' ny fahalalana". Noho ny fiheverana talohan' ny talohan' ny vaninandro moderina momba ny saina, ny rasionalisma dia mitovy amin' ny filozofia , amin' ny fiainana manadihady nananan' i Sokraty , na amin' ny fandikana feno fisalasalana mazava ( zetetika , skeptisisma ) momba ny fahefana (misokatra amin' ny antony fototra na tena ilaina niavian' ny zava-misy araka ny toa fahatsapantsika fahazoana antoka). Tao anatin' ireo taompolo faramparany, i Leo Strauss dia nikatsaka ny hamelona indray ny "rasionalisma politika klasika" amin' ny maha taranja izay manao ny asan' ny fanjohian-kevitra ataon' ny saina, tsy ho fototra, fa fomba fiasa ahatakaran' ilay olona anontaniana ny marina, araka ny fomba fiasan' i Sokraty atao hoe maieotika .