Ny
pretra
na
mpisorona
dia lehilahy na vehivavy manao asa fanompoana masina ao amin'ny
fivavahana
iray sady manatanteraka asa
litorjika
no mitarika ny lanonana sy fotoam-pivavahana ao amin'ny fanompoam-pivavahana sasany. Avy amin'ny
teny grika
hoe
πρεσβ?τερο?
/
presbyteros
izay midika hoe "loholona" ny teny hoe
pretra
. Ny tena asan'ny pretra dia manatanteraka ny
asam-pisoronana
. Miandraikitra ny fifandraisan'ny mpino sy ny
andriamanitra
ivavahany ny pretra, indrindra amin'ny fanatontosana fanompoam-pivavahana sy vavaka sy fisoronana ary zavatra hafa koa ho an'ilay na ireo andriamanitra, ka izany dia atao hahazoan'ny mpivavaka famelan-keloka sy fitahiana ary fanafahana. Ny pretra dia tomponandraikitra miantoka ny fanajana sy ny fitahirizana antsakany sy andavany ny fomba amam-panao ao amin'ny fivavahana.
Ny mpisorona na pretra tamin'ny Andro Taloha
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Ao amin'ireo fivavahana tamin'ny
Andro Taloha
dia nisy pretra (na mpisorona) ny fivavahan'ny Selta, izay atao hoe droida (frantsay:
druide
); tany Egipta dia mpisorona eo amin'ny fireneny ny
farao
(na faraona); tany
Grisia
dia nisahana asam-paminaniana ny pretra; ary tao
Roma
dia heverina fa vadin'ny
andriamanibavy
Vesta ny mpisorona fara tampony (latina:
pontifex
maximus
) misahana ny fahatomombanan'ny fanompoam-pivavahana.
Ao amin'ny lalana jiosy dia atokana amin'ny asa fanompoana ao amin'ny
Tempoly
sy amin'ny alitara ny pretra (na mpisorona) izay taranak'i
Aarona
(ireo
mpisorona be
) sy avy amin'ny
taranak'i Levy
(ireo mpisorona madinika). Miandraikitra ny fanaovana sorona sy ny fampianarana ny
Lalan'i Mosesy
(na Moizy) ary ny fandaminana ny fanompoam-pivavahana ao amin'ny
Tempoly
(izay ivon'ny fivavahana jiosy) izy ireo. Rehefa rava ny Tempolin'i Jerosalema tamin'ny taona 70 taor. J.K. dia tsy nisy intsony ny mpisorona ao amin'ny
jodaisma
.
Ao amin'ny
fivavahana kristiana
, araka ny
Epistily ho an'ny Hebreo
, dia i
Jesosy
no tena mpisorona izay nanatanteraka ny
fanelanelanana
an'
Andriamanitra
amin'ny olombelona sady nitondra ny
famonjena
ho an'ny olombelona.
Ao amin'ny
fiangonana katolika
sy ny
fiangonana ortodoksa
ary ny
fiangonana anglikana
dia misahana ny fisoloan-tena an'i
Jesosy Kristy
ny pretra, amin'ny alalan'ny fankalazana ny
sakramenta
, indrindra ny
batemy
(na
batisa
) sy ny
eokaristia
(na
fanasana'ny Tompo
) ary amin'ny alalan'ny fitondrana ny vahoaka kristiana. Ny
ordinasiona
(fanokanana) ataon'ny
eveka
no mametraka ny olona iray eo amin'ny asan'ny pretra. Isan'ny sakramenta izany ordinasiona izany ao amin'ny fiangonana katolika sy ny fiangonana ortodoksa.
Ny
teolojia
katolika momba ny asam-pisoronana dia nivoatra teo anelanelan'ny
Konsily tao Tridentio
, izay iheverana fa ny pretra dia manana fahefana hankalaza ny
sorona masina
(na lamesa), sy ny
Konsily Vatikana II
, izay niaiky ny maha
mpisorona ny mpino rehetra
sady nametraka ny pretra amin'ny asa fanompoana ho an'ny vahoaka kristiana.
Ny
fiangonana protestanta
dia tsy misy pretra na mpisorona manokana. Mino izy ireo fa ny
mpino rehetra dia mpisorona
sady tsy mila ny fanelanelanan'ny mpisorona ny fifandraisan'ny mpino amin' Andriamanitra.
Araka ny fomba amam-panao mahazatra hatramin'izay dia natokana ho sahanin'ny lehilahy ny asam-pisoronana, nefa tato ho ato dia maro ireo vehivavy atokana ho pretra ao amin'ny fiangonana anglikana.
Ny pretra ao amin'ny fivavahana hafa
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Ny
fivavahana silamo
dia tsy azo lazaina ho misy
asam-pisoronana
. Ao amin'ny
hindoisma
dia misahana fanaterana sorona ny brahmana sady miandraikitra ny fampitana ny
foto-pampianarana
.