Ny
olik'aratra
dia vondrona
fela elektironika
mifandray matetika amin'ny alalan'ny olik'aratra voatonta ary ny tanjony dia manao asa iray. Izay ny antony iheverina ny olik'aratra fa boaty maintsy misy :
- Fidiran'ny aratra famelomana azy,
- Fidirana tokana na maro,
- Fivoahana tokana na maro.
Matetika, ny olik'aratra dia tohizin'ny sistema elektiromekanika mba afahana mampiasa na mijery ny valin'ny fanodinana. Ny felan'ny olik'aratra dia matetika atao eo ambonin'ny zavatra tsy mampita
aratra
(
bakelita
) misy ny mpampita aratra, olik'aratra voatonta, sy/na voavondrona anaty olika voafintina anaty.
Ny olik'aratra dia ohatra ny hita fa sarotra foana. Kanefa, vita joro maro
mizaka tena
fotsiny izy, izay lazaina hoe olik'aratra elektironika. Izy ireo ihany dia manana joro (tsindrindray lazaina hoe ≪ etages"). Amin'ny farany, tonga any amin'ny joro fototra isika, ary izy ireo dia brika ilay olik'aratra. Ireo foto-joro ireo dia manana joro manokana : ny fela elektironika . Ity ny lisitra ny joro hita amin'ny elektironika :
Ny tanjon'ny famelonana dia manome ny aratra ilaina mba iasan'ny olik'aratra. Izy izany dia misy :
- mpaka (pirizin'aratra na loharanon'aratra hafa), mamadika ny hery ho aratra
- ≪ etage≫ fanovana, afahana manakaiky ny herinaratra eo amin'ny ilaina (oh. :220 V→12 V), ny famadihana ny aratra dia matetika ataon'ny mpanova aratra.
- ≪ etage fipasohana ≫ ny aratra, mba hitovy foana ny herinaratra (tsy misy parazita, anaty aratra mitohy). Io fipasohana io dia atao amin'ny alalan'ny kadobo iray na maro.
- ≪ etage≫ famarinana ny herinaratra, mba afahana manana herinaratra famelonana mitovy na inona na inona ny tanjaka hanin'ny olik'aratra.