한국   대만   중국   일본 
Nobia ? Wikipedia Aller au contenu

Nobia

Avy amin'i Wikipedia
I Nobia hatrany Ejipta (avaratra) ka hatrany Sodana (atsimo)

I Nobia dia faritra maina (tany efitra) ao amin' ny tapany avaratr' i Sodana sy ny tendrony atsimon' i Egipta izay manamorona an' i Nily . Tamin' ny Andro Taloha dia fanjakana mahaleo tena i Nobia izay nisy mponina miteny amin' ny fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny nilo-sahariana . Nifarana tamin' ny taona 1970 ny fitenenana amin' ny fiteny birgidy, izay fitenim-paritra notenenina tao avaratr' i Nyala ao Sodana , ao Darfora . Ny fiteny nobiana tranainy dia nanoratana ny akamaroan' ny lahatsoratra ara-pivavahana teo anelanelan' ny taonjato faha-8 sy faha-9.

Ny Nobiana [ hanova | hanova ny fango ]

Nobiana ao Sodana

Vondrom-poko ara-pitany any Sodana ankehitriny sy any amin' ny tapany atsimon' i Ejipta ny Nobiana , izay avy amin' ny mponina voalohany tao amin' ny faritra afovoany amin' ny Lohasahan' i Nily , heverina ho iray amin' ny faritra voalohany nipoiran' ny sivilizasiona . Manana ny tantarany tamin' ny Andro Taloha , talohan' ny Ejipta nanjakan' ny dinastia nifandimby ny Nobiana. Miteny ny fiteny nobiana , izay ao amin' ny fianakaviam-piteny nilo-sahariana , izy ireo. Avy any Sodana ny Nobiana.

Fiteny nobiana [ hanova | hanova ny fango ]

Tany efitr' i Nobia

Ny fiteny nobiana dia vondrona fiteny maromaro mifandray, ao amin' ny fianakaviam-piteny nilo-sahariana any Ejipta sy Sodana , ampiasain' ny Nobiana .

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]