한국   대만   중국   일본 
Moraly ? Wikipedia Aller au contenu

Moraly

Avy amin'i Wikipedia

Ny moraly dia fitambaran' ny fitsipika sy foto-pitsipika, ny adidy sy ny fandrarana rehetra mifandraika amin' ny fampifanarahana ny asa amam-pihetsiky ny olona amin' ny fomba amam-panaon' ny fiarahamonina iray. Ny moraly dia fanavahana ny fikasana sy ny fanapahan-kevitra ary ny asa amam-pihetsika heverina ho mety (marina) sy ny tsy mety (diso). Ny moraly dia fitambarana fitsipika na foto-pitsipika avy amin' ny fitsipi-pitondran-tena ao amin' ny filozofia , na fivavahana na kolontsaina iray, na mety ho avy amin' ny fenitra heverina fa tokony ho an' ny olona rehetra. Avy amin' ny teny latinina hoe moralis , izay midika hoe "mifandray amin' ny fomba", "momba ny toetra", "momba ny fitondran-tena") ny teny hoe moraly . Ny etika sy ny moraly dia mifanakaiky hevitra satria ny mpandika teny sasany amin' ny filozofa fahiny dia nampiasa ireo teny roa ireo tsy misy fanavahana mazava arakaraka ny vanim-potoana mba handikana ny teny grika hoe ethikos . Na izany aza, ho an' ny filozofa maoderina sasany, ny moraly dia miavaka amin' ny etika izay fisaintsainana fototra izay anorenan' ny moraly ny fenitrany sy ny fetrany ary ny adidiny. Avy amin' ny moraly no teraka ny filozofia moraly izay miavaka amin' ny metafizika noho izy azo ampiharina. Ny asa mifanohitra amin' ny moraly indraindray dia asa manimba toy ny halatra.

Mifantoka momba ny tsara sy ny ratsy ny moraly izay miavaka amin' ny lojika (izay misahana ny fanavahana ny marina sy ny diso), amin' ny taranja lalana (ara-dalana sy tsy ara-dalana), sy amin' ny zavakanto (ny kanto sy tsy kanto) ary amin' ny taranja toekarena (ny ilaina sy ny tsy ilaina). Araka ireo soatoavina ireo no andraiketan' ny moraly ny foto-pitsipika momba ny fihetsika, izany hoe ny adidin' ny olombelona, ????amin' ny tenany na amin' ny olon-kafa, na amin' ny fiarahamonina manontolo, na amin' ny idealy ambony kokoa ( fomban-drazana , ny firindrana, ny fiadanana, ny andriamanitra , sns.), foto-pitsipika mamaritra ny tokony hatao sy ny fomba enti-manao.

Misy endrika roa ny toe-tsaina mifanohitra amin' ny moraly, ny fitondran-tena ratsy ( frantsay : immoralite ) izay finiavana mandika ny fitsipiky ny moraly nefa tsy mitsara ny moraly, ary ny fandavana ny fisian' ny moraly, na koa ny famporisihana amin' ny toe-javatra sasany ny fandikana ny fitsipika moraly, amin' ny fanavahana ny hevitra momba ny etika sy ny momba ny fomba sy fanao (frantsay: amoralite ).

Ny moraly dia mikendry andaniny ny fitahirizana ny endrika misy fiombonana ao amin' ny fandaminana ara-piarahamonina, ao amin' ny fiarahamonina, ao amin' ny tombontsoan' ny besinimaro, ary ankilany mikendry ny fankafizana ny fiainan' ny tsirairay ao anaty fiarahamonina. Toy izany koa, ny rafitra ara-moraly iray ihany no ampifanarahana amin' ny kolontsaina sy ny fiarahamonina tsirairay, saingy ao anatin' ireo kolontsaina ireo dia misy karazana fitsipi-pitondran-tena samihafa miaraka nefa misy karazana tsy fifanarahana samihafa.

Ny moraly dia mety manondro ny fehezam-pitsipi-pitondran-tena rehetra tsy voafaritra tsara eo amin' ny fiarahamonina iray (fahalalam-pomba, fahaiza-manaja, fahatsapan-tena ho olom-pirenena), na koa amin' ny fitsipika ambaran' ny fivavahana na ambaran' ny foto-pampianarana (moraly ara- pivavahana , filozofia moraly , etika ). Ny fitsipika moraly dia azo zaraina ho vondrona roa: andaniny ny fitsipi-pitondran-tenan' ny tsirairay, ary ankilany ny fehezam-pitsipi-pitondran-tena itambaran' ny vondrom-piarahamonina ara-kolontsaina na ara-pivavahana na sivily.

Ny fitsipika moraly dia azo heverina ho fahazarana tsotra izay lasa tsy maintsy atao ao amin' ny vondrom-piarahamonina iray (fomban-tany, fomba amam-panao), izany hoe fomba manaja kolontsaina, izay raisina sy ianarana ary eken' ny tsirairay (amim-pahatsiarovan-tena na tsia) izay mihamazava na miova mandritra ny taonjato maro, na, mifanohitra amin' izany, lasa fenitra tanteraka, tsy miova na dia mandeha aza ny fotoana, mihoa-draha ary avy amin' Andriamanitra na avy amin' ny fanambarana . Ny fitsipika moraly koa dia azo heverina ho miovaova araka ny vahoaka sy ny vanim-potoana, na mifanohitra amin' izany ka natao ho an' ny rehetra, tsy miankina amin' ny toerana na amin' ny vanim-potoana, ary naorin' ny sain' ny olombelona na takin' ny fanehoana ny maha-olombelona amin' ny ankapobeny (ohatra: ny zon' olombelona ).

Amin' ny fomba fiasa ara- pilozofia , ny fepetra mamaritra ny fitondran-tena ara-moraly (izay azo adika hoe "manao zavatra tsara") dia tsy mitovy. Ny soatoavina ara-moraly amin' ny hetsika iray tokoa mantsy (tsara na ratsy) dia azo faritana araka ny vokany, izany hoe araka ny vokatra aterak' io hetsika io, na araka ny fifanarahany amina soatoavina, izany hoe araka ny fikasana na ny antony manosika azy (tsy miankina amin' ny vokany).

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]