I
Luzon
na
Luzon
dia nosy ao amin' ny tapany avaratr' i
Filipina
izay faritan' ny Helodranon' i Babuyan ao avatratra, ny Ranomasin' i Filipina ao atsinanana, ny Helodranon' i San Bernardino ao atsimo ary ny Ranomasin' i Sina atsimo ao andrefana. Izy no nosy lehibe indrindra ao Filipina izay manana velarana 104 687 km
2
. Be tendrombohitra ny fatritra amorontsiraka fa ny afovoany kosa dia tany lemaka sady lonaka. Manondraka azy ny renirano Cagayan (350 km) sy Agno ary Pampanga. Hita ao koa ny farihy Laguna de Bay sy ny farihy Taal.
Mpamboly ny mponina ao Luzon ka vokatra be ao ny
vary
, ny
katsaka
, ny
fary
, ny
kafe
, ny
paraky
ary ny
akondro
. Be
manga
sy
voanio
koa ao. Mivelona amin' ny
jono
ny mponina amorontsiraka. Ahitana
harena an-kibon' ny tany
toy ny
volamena
, ny
vy
, ny
varahina
, ny
manganezy
, ary ny
kraomita
koa ao. I
Manila
renivohitr' i Filipina sy i
Quezon
no tanana lehibe indrindra ao.
Ny teny hoe
Luzon
koa dia mety manondro ny iray amin' ireo vondro-nosy telo voalohany ao amin' ilay firenena. Io vondro-nosy io dia ahitana ny nosy Luzon, ny vondro-nosy
Batanes
sy ny vondro-nosy
Babuyan
any avaratra, ny vondro-nosy
Polillo
any atsinanana, ary ny nosy
Catanduanes
,
Marinduque
ary
Mindoro
, ankoatry ny hafa, any atsimo. Ampidirina ao koa ny nosy
Masbate
sy
Palawan
ary
Romblon
, na dia mitambatra miaraka amin' ny vondro-nosy iray hafa (ny tangoro-nosy
Visayas
) izy telo ireo indraindray.