Ny
litorjia
na
litorijia
na
litorzia
na
litorizy
dia ny fitambaran' ny fombafombam-pivavahana sy ny
lanonana
ary ny vavaka atokana ho amin' ny
fanompoam-pivavahana
amin' ny
andriamanitra
iray na maro, izay mety ho voafaritry ny fitsipika ao amin' ny
soratra masina
na ny
lovantsofina
. Ny teny hoe
litorjia
dia matetika ampiasaina ao amin' ny
fivavahana kristiana
hanondroana ny fanompoam-pivavahana azon' ny sarambaben' ny mpino atrehina sady naorin' ny Fiangonana iray ara-dalana.
Ny teny hoe
litorjia
(misy koa ny manoratra sy manonona hoe
litorzy
) dia avy amin' ny
teny grika
hoe λειτουργ?α /
leitourgia
na λ?iτουργ?α /
leitourgia
izay avy amin' ny fitambaran' ny teny
mpamari-toetra
hoe
λειτο?
/
leitos
(izay midika hoe "momba ny vahoaka" sady avy amin' ny teny hoe
λε??
/
leos
na
λα??
/
laos
izay midika hoe "vahoaka") sy ny
anarana
hoe
?ργον
/
ergon
(izay midika hoe "asa"). Ara-bakiteny dia midika hoe "asam-bahoaka", izany hoe asa ho an' ny vahoaka, fanompoana ny vahoaka, fanompoana ho an' ny tanana na ny fanjakana.
Ny litorjia teo amin' ny Grika sy ny Romana
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Noho ny
leitourgia
dia nizaka ny vesatra ara-bola ny mpanan-karena izay novalian-tsoa amin' ny alalan' ny fampakaram-boninahitra sy ny tombontsoa manokana. Tamin' ny taonjato faha-3 taor. J.K. dia nanjary tsy maintsy natao ny
leitourgia
tao amin' ny
Fanjakana
sy ny
Empira Romana
. Ny fanatanterahana izany fanompoana izany dia nanamafy ny lazan' ny mpanohana ny manan-talenta. Anisan' ny
leitourgia
koa ny fanaovana fombafomba hanomezam-boninahitra ny zava-mitranga iray. Ny tena nahitana ny
leitourgia
dia teo amin' ny
fivavahana
, ka tao amin' ny firavoravoana ampahi-bemaso no tena nisehoany. Teo amin' ny Empira Romana dia lasa vesatra ho an' ny olona ny
leitourgia
izay natao amin' ny
teny latina
hoe
munera
, (avy amin' io, ohatra, ny
teny frantsay
hoe
remuneration
"karama") ka maro ireo niezaka ny tsy ho tratran' izany araka izay azo atao. Izany
munera
izany dia nahitana karazam-pandaniana mifandray amin' ny fanorenana sy ny fanisiana fanaka amin' ny tanan-dehibe. Anisan' izany koa ny zavatra tsy maintsy natao ho an' ny Empira toy ny fanarenana ny arabe sy ny
tetezana
ary ny
fantson-drano
lehibe. Tao koa ny fanomezana akora fanodina sy ny fandrahoana ny sakafo ho an' ny tafika mandalo.
Ny litorjian' ny fivavahana egipitiana
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Ny fomban' ny fivavahana tao
Egipta
tamin' ny
Andro Taloha
(taonarivo faha-4 tal. J.K. hatramin' ny taonjato faha-4 taor. J.K.) dia niorina amin' ny fankalazana ny firindran' izao tontolo izao (atao hoe
maat
) hatramin' ny
namoronan
' ny andriananitra egiptiana azy. Tamin' ny voalohany izany fankalazana izany dia nosahanin' ny
farao
(na faraona) nefa taty aoriana dia ny mpitondra fivavahana no nanjary niandraikitra izany. Ny vahoaka, amin' ny alalan' ny fombafomba fanao isan' andro sy ny lanonana mahazatra dia manana adidy ny handray anjara amin' izany
fanompoam-pivavahana
izany. Ny litorjia egiptiana dia ahitana lanonana karakaraina amin' ny fotoana manan-danja indrindra amin' ny fiainan' olombelona (toy ny
fahaterahana
sy ny
fahafatesana
ary ny hafa koa) sy amin' ny fankalazana ny fitsaohana ireo andriamanitra (firavoravoana ho an' i
Nily
na Neily). Ny sasany amin' ireo fombafomba ireo dia mbola hita amin' ny fombam-pivavahan' ny
Kristiana kopta
(fr.:
Coptes
).
Litorjia ao amin' ny fivavahana abrahamika
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Tao amin' ny
jodaisma
misy
fisoronana
, araka ny hita ao amin' ny
Septoajinta
(Baiboly jiosy amin' ny
teny grika
) sy ao amin' ny
Testamenta Vaovao
, dia iantsoana ny fanompoana atao ao amin' ny
Tempoly
ny hoe
leitourgia
. Mifandray amin' ny fanompoam-pivavahana amin'
Andriamanitra
tsy hita maso sy amin' ny vavaka atao aminy izany. Teo amin' ny
jodaisma rabinika
kosa, rehefa rava ny
Tempoly faharoa
sy ny
tabernakely
, ka very ny tetiaran' ny
Levita
, dia nanjavona ny
mpisorona
sy ny asam-pisoronana ary ny zavatra rehetra momba ny masina.
Ny litorjia jiosy dia ny famakiana na famerenana ny vavaka izay endriky ny fitandremana ao amin' ny jodaisma rabinika. Ireo vavaka ireo, izay matetika ahitana toromarika sy fivoasana, dia hita ao amin' ilay atao hoe ???? /
siddur
(raha milaza maro:
?????? / siddurim
) (boky mirakitra ny vavaka mahazatra rehetra ao amin' ny fivavahana jiosy). Amin' ny ankapobeny, ny lehilahy jiosy dia tsy maintsy manatanteraka vavaka intelo isan' andro, ka misy fotoana voafaritra izany izay atao amin' ny
teny hebreo
hoe ????????? /
zmanim
. Araka ny
Talmoda
(hebreo: ????????? /
Talm?d
) dia asaina mivavaka indray mandeha isan' andro fotsiny ny vehivavy jiosy.
Indreto ny vavaka izay tsy maintsy atao isan' andro:
- ny
Shakharit
na
Shaharit
(???????), avy amin' ny teny hebreo hoe
shakhar
na
shahar
(?????) "hazavan' ny maraina";
- ny
Minkha
na
Minha
(???????), vavaka atao amin' ny tolakandro ho an' ny fanaovam-panatitra koba miaraka amin' ny sorona tanterahina ao amin' ny
Tempoly
;
- ny
Arvit
(????????) na
Maariv
(????????), atao amin' ny fanombohan' ny alina.
Misy koa vavaka fanampiny:
- ny Musaf
(??????, "fanampiny") dia tanterahin' ireo
jiosy ortodoksa
sy ireo
jiosy mpitahiry ny ela
amin' ny andron' ny
Sabata
, andro lehibe masina eo amin' ny
jodaisma
(izay mahafaoka koa ny
Khol HaMoed
), ary ny
Rosh Khodesh
("lohan' ny volana").
- ao koa ny fanompoam-bavaka fahadimy atao hoe
Ne'ila
(????????, "famaranana"), izay tanterahina amin' ny
Yom Kippur
(???? ????????? "andro fifonana").
Ny litorjia ao amin' ny kristianisma
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Tsy ny
fiangonana kristiana
rehetra no misy litorjia fa ao ny manana ary ao ny tsy manana izany. Ny manana litorjia dia manaraka toromarika mazava voasoratra ao amin' ny boky natokana ho an' izany. Ny tsy manana kosa dia manao fotoam-pivavahana manaraka fandaharam-potoana malaladalaka na tora-po mihitsy aza.
Ny teny hoe
litorjia
ao amin' ny kristianisma dia ilazana ny fandaharam-potoana hajaina mandritra ny fanompoam-pivavahana. Ao amin' ny
Fiangonana katolika
, ny litorjia dia ny fandraisan' anjaran' ny vahoaka ao amin' ny asan'
Andriamanitra
, dia ny asam-pamonjena nataon' i
Jesoa Kristy
izany. Manohy ny asam-panavotana ao amin' ny litorjia i Kristy.
Nampiasa ny teny hoe
leitourgia
ny Kristiana voalohany hilazany ny asa fanompoana lehibe, dia ny fanompoana amin' ny Alahady. Izany asa fanompoana izany, izay atao hoe
litorjia
na
ministera
dia adidin' ny Kristiana amin' ny maha mpino azy amin' ny alalan' ny
batisa
(na batemy) ao amin' i
Kristy
sy ny fandraisana anjara amin' ny asa fanompoana ataon' i Kristy. Ny litorjia dia asa fanompoana mifamaly. Maro ny fiangonana kristiana izay manendry olona amin' ny fanatanterahana ny
fanompoam-pivavahana
, atao hoe
litorjista
. Ny litorjista dia mety hamaky fanambarana na hamaky ny
Soratra Masina
sady miantso ny mpino hanatanteraka ny fivavahana, fa ny "ministra" (
pastora
,
pretra
, sns) kosa dia miandraikitra ny
toriteny
sy manolotra
vavaka
, ary manamasina ny
sakramenta
. Ny litorjista dia mety ho ministra voahosotra na vita fanamasinana na
loholona
tsotra (izay atao hoe koa
laika
na
lahika
). Ny fiangonana manontolo dia mandray anjara sady manolotra ny litorjia ho an' Andriamanitra.
Ny litorjia ao amin' ny finoana silamo
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Ao amin' ny
finoana silamo
, ny teny hoe
sal?t
(izay midika hoe "vavaka", avy amin' ny
teny arabo
hoe
????
? /
?al?h
na
?????
/
?alaw?t
r
aha milaza maro
) dia fomba fivavahana arahim-pihetsika ara-batana tsy maintsy atao, ka mifanohitra amin' ny atao hoe
dua
(arabo:
??????
/
du???
) izay midika hoe "fitalahoana". Ny maha zava-dehibe azy eo amin' ny Mozilmana dia ambaran' ny maha anisan' ny
Andry dimin' ny finoana silamo
azy.
Ialohavan' ny fidiovana (arabo:
??????
/
'al-wu??) s
ady tanterahina indimy isan' andro izany. Averimberina ny andian-teny atao
rak?ah
(arabo: ????) na
raka??t
(arabo: ?????, raha milaza maro) raha anaovana asa (fihetsika) sy lahateny tsy maintsy tanterahina. Ny isan' ny
raka??t
tsy maintsy atao dia mety ho roa hatramin' ny efatra arakaraka ny fotoana ao amin' ny andro na ny toe-javatra hafa (toy ny fivavahana amin' ny andro
Zoma
izay anaovana
raka??t
roa)
.
Tsy maintsy ataon' ny Mozilmana rehetra ny vavaka, afa-tsy izay mbola tsy niala sakana sy ny vehivavy tonga fotoana na tera-bao.
Litorjia ao amin' ny fivavahana tatsinanana
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Ny litorjia ao amin' ny fivavahana bodista
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Ny litorjia
bodista
dia fanompoana voafaritra tsara ho enti-mitsaoka sy mivavaka izay tanterahin' ny fikambanana bodista (
sangha
bodista) ao amin' ny sampan' io karazam-pivavahana io. Tanterahina indray mandeha na imbetsaka isan' andro izany ary misy ny fiovaovana eo amin' ny sampana
Teravada
sy
Mahaiana
ary
Vajraiana
.
Ny litorjia amin' ny ankapobeny dia ahitana hira na fanononana
sutra
iray na andalana vitsy avy amin' ny
sutra
na
mantra
(indrindra ao amin' ny Vajraiana), sy ao amin' ny
gatha
isankarazany. Arakaraka ny fanao izay tian' ny mpanatanteraka izany hatao, dia azo atao ao an-
tempoly
izany na any an-trano. Ny litorjia dia tanterahina saika mandrakariva eo anatrehan' ny zavatra ivavahana sady arahina fanatitra jiro sy
emboka
sy
rano
ary
sakafo
.