Ny
lalampanorenana
(na
lalam-panorenana
) dia karazan-dalana mirakitra ny fitsipika fototra ametrahana ny fandaminana sy ny fiasan' ny firehena na ny fanjakana na ny fikambanana na ny vondrom-panjakana na vondrom-pirenena iray (ka anisan' ny alamina amin' izany ny fomba fiasa ankapoben' ny
governemanta
sy ny
andrim-panjakana
hafa); milaza ny fomba fifidiana ny
filoham-pirenena
, ny faharetan' ny fijanonany eo amin' ny fitondrana; manondro ny
lalana
azo apetraka, ny fotoana ahafahan' ny olona mifidy, ary manambara ny fomba atao raha hanova ny lalampanorenana.
Raha voasoratra anaty tahirin-kevitra tokana na anaty andian-tahirin-kevitra ny fitsipika fototra dia azo lazaina fa hita anaty lalampanorenana voasoratra ireo tahirin-kevitra ireo. Raha voarakitra anatin' ny tahirin-kevitra iray manontolo ireo fitsipika fototra ireo dia lazaina fa lalampanorenana voarindra) ilay lalampanorenana. Ny lalampanorenan' ny
Fanjakana Mitambatra
dia ohatra amin' ny lalampanorenana tsy voarindra, izay voasoratra ao amin' ny lalana fototra maro avy amin' ny mpanao lalana sy avy amin' ny raharaham-pitsarana ary avy amin' ny fifanarahana iraisam-pirenena.
Ny lalampanorenana dia mahakasika ambaratongam-pandaminana isan-karazany, manomboka amin' ny firenena manana ny
fiandrianany
izany ka hatrany amin' ny orinasa sy fikambanana tsy manan-jo hiatrika raharaham-pitsarana. Ny fifanarahana izay mamorona fikambanana iraisam-pirenena ihany koa no lalampanorenan' io fikambanana io, satria mamaritra ny fomba nananganana sy nandrafetana ilay fikambanana. Ao anatin' ny fanjakana, ny lalampanorenana dia mamaritra ny foto-kevitra iorenan' ny fanjakana, ny fomba fanaovana ny
lalana
sy ny olona afaka manao izany. Ny lalampanorenana sasany, indrindra fa ny lalampanorenana voarindra, dia mametra ny fahefana, amin' ny alalan' ny fametrahana fetra tsy azon' ny mpitondra fanjakana ihoarana, ohatra amin' izany ny zo fototra isan-karazany.
Ny lalampanorenan' i
India
, izay misy voanteny miisa 146 385 amin' ny dikan-teny
anglisy
, no lalampanorenana voasoratra lava indrindra amin' ny firenena rehetra eran-tany, raha ny lalampanorenan' i
Monako
, izay misy teny 3 814, no lalampanorenana voasoratra fohy indrindra. Ny lalampanorenan' i
San-Marino
dia mety ho ny lalampanorenana voasoratra tranainy indrindra mbola mana-kery eran-tany, satria ny sasany amin' ireo tahirin-kevitra fototra mandrafitra azy dia efa niasa hatramin' ny taona 1600. Ny lalampanorenan' i
Etazonia
no lalampanorenana voarindra tranainy indrindra. Manodidina ny 19 taona eo ho eo ny salam-paharetan' ny fananan-kerin' ny lalampanorenana iray nanomboka tamin' ny taona 1789.
Miovaova arakaraka ny karazam-pitondram-panjakana ny fahefan' ny lalampanorenan' ny fanjakana na firenena iray. Amin' ny ankapobeny dia manana fahefana ambony kokoa noho ny
lalana
tsotra ny lalampanorenana.
Ny lalampanorenana dia sady fanehoan-tsitrapo ara-politika no lalana fototra mampiray sy mifehy, amin' ny fomba voalamina sy araka ambaratonga, ny fifandraisana rehetra misy eo amin' ny mpitondra sy ny vahoaka entina ao anatin' ny fanjakana na firenena iray, amin' ny maha vondrona ara-politika anaty habaka ara-jeografia sy habaka araka ny maha-olona. Ao amin' ny fanjakana
demokratika
dia miaro ny
zo
sy ny fahalalahan' ny olom-pirenena amin' ny fanararaotam-pahefana mety hataon' ny mpampiasa ny fahefam-panjakana ny lalampanorenana.
Ao amin' ny fanjakana federaly, ny fanjakana mizaka tena mikambana ao aminy dia afaka manana ny lalampanorenany manokana, toy ny lalampanorenan' i
California
any
Etazonia
.
- Lalampanorenana Alemana
- Lalampanorenana Beljianina
- Lalampanorenana Kameroney
- Lalampanorenana Kanadianina
- Lalampanorenana Amerikanina
- Lalampanorenana Frantsay
Endrika:Hierarchie des normes
- Lalampanorenana Iranianina
- Lalampanorenana Soisa
- Lalampanorenana Togoley