Ny
Kristiana
na
Kristianina
dia olona manaraka ny fampianarana sy ny fomba araka ny voalazan' ny
Baiboly
indrindra fa ireo
Filazantsara
na Evanjely, izay milazalaza momba ny fiainanan' i
Jesoa Kristy
sy ny fanarahana azy. Ho an' ny Fiangonana kristiana maro dia anisan' ny maha Kristiana ny finoana an' i Jesoa Kristy ho
Andriamanitra
. Ny
mpamari-toetra
hoe
kristiana
na
kristianina
dia ilazana ny zavatra momba ny fivavahana kristiana, toy ny fiangonana sy ny
teolojia
sy ny finoana sns.
Ny teny hoe
kristiana
na
kristianina
dia avy amin' ny
teny latina
hoe
Christianus
na ny
teny grika
hoe
Χριστιαν??
/
Khristianos
izay manondro an' ireo mpanaraka ny fampianaran' i Kristy. Ny teny hoe
Kristy
indray dia avy amin' ny teny latina hoe
Christus
na grika hoe
Χριστ??
/
Khristos
izay fandikana ny
teny hebreo
hoe
???????? / Mashiah
(nogasina ao amin' ny
Baiboly malagasy
hoe
Mesia
) izay midika hoe "voahosotra", izany hoe "voahosotr' Andriamanitra". Ara-bakiteny, ny Kristiana dia ireo "mpanaraka ny fampianaran' ilay Voahosotr' Andriamanitra".
Ny teny hebreo anondroana ny Kristiana dia ?????? /
Notzrim
izay enti-milaza olona avy any
Nazareta
(hebreo: ??????? / Natzrat) na mpomba an' ilay avy any
Natzrat
. Amin' ny
Jiosy
izany, ny Kristiana dia ireo olona manaraka an' ilay avy any Nazareta, fa tsy ireo mpanaraka an' ilay Voahosotra, satria aminy dia tsy i Jesoa no
Mesia
(
Mashiah
) na Kristy (
Khristos
).
Ny Kristiana dia manantena ny fanafahana vokatry ny fampianaran' i Jesoa Kristy, mino ny fahafatesany teny amin' ny
hazo fijaliana
(lakroa) sy ny
fitsanganany amin' ny maty
. Mino koa ny Kristiana fa i Jesoa no Mesia nampanantenaina hatry ny elabe ao amin' ny
Baiboly hebreo
(ny
Testamenta Taloha
) sady
Zanak' Andriamanitra
nirahin' ny
Rainy
hamonjy ny olombelona. Ny ankamaroan' ny Kristiana dia mino ny amin' ny
Trinite
, Andriamanitra Telo Izay Iray.