Ny
kolikoly
, na tsolotra, na risoriso dia fifanarahana ratsy miseho eo amin'ny ankolafiny anankiroa, amin'ny alalan'ny fanolorana fanomezana na vola tsy ara-dalana ho tambin'ny asa na fanomezana tombondahiny anankiray tsy ara-dalana ihany koa.
Azo sokajiana roa ny kolikoly dia ny kolikoly madinika, miseho amin'ny sarambabem-bahoaka, izay vola kely ihany no sarany raha oharina amin'ny faharoa. Ny anankiray dia ny kolikoly vaventy izay mety hisy tambajotrany mihitsy, miseho eo amin'ny orinasa lehibe sy ny manam-pahefana na mpitondra fanjakana ambony, ary volabe an-tapitrisany maro no mihodina amin'izany. Samy manimba
firenena
avokoa rehefa endrika kolikoly, ary taona vitsy taorian'ny nandraisan'ny Filoha
Marc Ravalomanana
ny fitondrana, dia nanangana sehatra maro hiadiana amin'io kolikoly fanetriben'ny
firenena
io izy. Nitsangana teto
Madagasikaraary
ny
CSLCC
(Filankevitra ambony momba ny ady amin'ny kolikoly), dia nisy koa ny
Bianco
(Birao mahaleotena iadiana amin'ny kolikoly) sy ny
Famak
.
Ny
Transparency International
dia manome fanakilasiana ny
firenena
eran-tany momba ny vesatry ny kolikoly ao aminy. Na dia teo aza ny fitsanganan'ireo birao sy filankevitra ireo dia tsy nampihatsara ny laharan'i
Madagasikara
izany fa vao mainka aza nihemotra izy tamin'ny taona 2005.