Kaskay (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Zazalahy kaskay

Ny Kaskay dia vondrom-poko ao Irana izay ny ankabeazany manam-piaviana torkika . Heverina koa fa tafiditra ao koa ny olona manam-piaviana lora na lory sy kiorda ary arabo . Miteny fiteny torkika tandrefana ( ogoza ), fantatra amin' ny anarana hoe fiteny kaskay ny ankamaroan' izy ireo, fiteny izay antsoin' izy ireo hoe turki . Miteny persana ( fitenim-pirenen ' i Irana) koa izy ireo. Atao hoe ?????? izy ireo amin' ny teny persana.

Ao amin' ireto faritany ireto no tena ahitana ny Kaskay: Fars , Khuzestan , Kohgiluyeh-Boyer-Ahmad, Chaharmahal-Bakhtiari, Bushehr ary Isfahan Atsimo, indrindra manodidina ny tananan' i Shiraz sy Firuzabad ao Fars. Mpiandry andiam-biby fiompy mpifindrafindra monina tany am-boalohany ny ankamaroan' ny Kaskay ary mbola misy amin' izao fotoana izao ny manohy izany fomba fiainana izany. Ny Kaskay mpifindrafindra monina mbola nitana ny nentin-drazana dia nandeha indroa isan-taona miaraka amin' ny andiam-bibiny eo anelanelan' ny kijana an-tany avo amin' ny fahavaratra any avaratr' i Shiraz (tokony ho 480 km any atsimo) sy ny kijana ririnina any amin' ny tany iva (sy mafana kokoa) akaikin' ny Hoala Persika , any atsimo-andrefan' i Shiraz.

Karavany kaskay

Ny ankamaroan' ny Kaskay anefa dia lasa mpiorim-ponenana amin' ny ampahany na tanteraka. Nitombo be ny firehan' ny Kaskay hanorim-ponenana nanomboka tamin' ny taompolo 1960 teo ambanin' ny fanerena sy ny famporisihan' ny governemanta izay nanorina trano ho an' izay vonona hipetraka, nanomboka tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20 nandritra ny fitondran' ny tarana-mpanjaka Pahlavy na Pahlevy. Na izany aza, ho an' ireo izay manohy ny fifindrafindra-monina, ny governemanta iraniana dia mitazona sy manara-maso ny lalanan' ny Kaskay sy ny foko hafa mpifindra monina tahaka azy ireo.

Ny Kaskay dia ahitana foko dimy lehibe, dia ny Amale (amin' ny fiteny kaskay ) na Amaleh (amin' ny fiteny persana ), ny Dere-Shorlu na Darreh-Shuri , ny Kashkollu na Kashkuli , ny Shishbeyli na Sheshboluki ary ny Eymur na Farsimadan . Misy koa ireo foko kely kokoa izay ahitana ny Qaracha na Qarache'i , ny Rahimli na Rahimi ary ny Safi-Khanli na Safi-Khani .

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]