한국   대만   중국   일본 
Kahira ? Wikipedia Aller au contenu

Kahira

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Kairo )
I Kahira jerena avy eny ambony

I Kahira na Kairo no renivohitr' i Ejipta , izay tanana lehibe indrindra ao amin' io firenena io sy manerana an' i Afrika . Atao hoe ??????? / Al-Q?hira izy amin' ny teny arabo, fa Le Caire amin' ny teny frantsay ary Cairo amin' ny teny anglisy sy amin' ny teny maro hafa. Ao amin' ny tapany avaratra atsinana' i Ejipta no misy an' i Kahira, eo amin' ny ilany ankavanan' ny renirano Nily . Ao Kahira ny iray ampahefatry ny mponin' i Ejipta. Maro ny mpizaha tany mitsidika azy satria ao akaikiny no ahitana ireo piramida malazan' i Giza. Tamin' ny taona 969 taor. J.K. no nanorenana ny tananan' i Kahira. Tanana maromaro efa nisy taloha no nitambatra ka nanome an' i Kahira. Ny tranainy indrindra amin' ireo tanana ireo dia efa niorina tamin' ny taona 641. Tamin'ny taonjato faha-16 no nhatratra ny fara tampon' ny lazany i Kahira noho ny fandrosoan' ny raharaham-barotra tao amin' ny Ranomasina Mediteranea .