한국   대만   중국   일본 
Konfirmasiona ? Wikipedia Aller au contenu

Konfirmasiona

Avy amin'i Wikipedia

Ny konfirmasiona , ao amin' ny Fiangonana kristiana , dia fomba atao ampahibemaso manome fahafenoana ny fanomezan' ny Fanahy Masina amin' ny alalan' ny fanamafisana ny famantarana azo tamin' ny batisa (na batemy). Sakramenta ny kofirmasiona amin' ny Katolika sy ny Ortodoksa .

Konfirmasiona ao amin' ny Fiangonana ortodoksa [ hanova | hanova ny fango ]

Tao amin' ny Fiangonana voalohany dia tanterahina avy hatrany aorian' ny batisa ny konfirmasiona, ary mbola toy izany no fanao ao amin' ny Fiangonana ortodoksa .

Konfirmasiona ao amin' ny Fiangonana katolika [ hanova | hanova ny fango ]

Amin' ny Fiangonana katolika dia sakramenta ny konfirmasiona. Ankehitriny dia heverina ao amin' ny Fiangonana katolika ho manome hery hijoroana vavolombelona sy mahatonga ny Kristiana ho tonga olon-dehibe ny konfirmasiona. Ao amin' ny Fiangonana katolika hatramin' ny Andro Antenatenany dia miovaova ny taon' ny olona atao konfirmasiona, ka eo anelanelan' ny 7 sy 15 taona izany. Hatramin' ny Konsily Vatikana II dia tanterahina amin' ny fotoana maha vanto-jeza ny konfirmasiona. Amin' ny Katolika, amin' ny ankapobeny, dia tanterahina amin' ny alalan' ny fametrahan-tanana (izay midika fampitana ny Fanahy Masina) sy fanosorana menaka (izay midika herin' Andriamanitra sy mahatonga ny Kristiana ho olom-boahosotra.

Konfirmasiona ao amin' ny Fiangonana protestanta [ hanova | hanova ny fango ]

Ny Anglikana sy ny Protestanta dia tsy manao ny konfirmasiona ho sakramenta, ny batisa sy ny fanasan' ny Tompo ( eokaristia ) no sakramenta amin' izy ireo. Amin' ny Protestanta dia fiarovana ny finoana iantsoana ny tanora ny konfirmasiona mba hanamafisany ny fanekena natao tamin' ny batisa .

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]

Ny sakramenta ao amin' ny fiangonana katolika :