한국   대만   중국   일본 
Sindo ? Wikipedia Aller au contenu

Sindo

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Indus )

I Sindo na Indosy na Indo (izay fantatra amin' ny anarana hoe Sindh na Sindhu tamin' ny Andro Taloha , dia renirano any Pakistana nanome ny anarany an' i India . Ny loharanony dia any amin' ny tendrombohitra Himalaya ary mizotra makany atsimo-andrefana izy. Anisan' ny renirano inoana ho masina any India i Sindo, miaraka amin' ny Gange . Ao amin' ny Ranomasin' i Omana izy no mivarina.

Jeografia [ hanova | hanova ny fango ]

Ny renirano Indus
Ny renirano Indus

Ny loharanon' i Indosy dia any Tibeta , ao amin' ny tangorombohitra Kail?s na Gangri . Manomboka mitondra ny anarany i Indosy eo amin' ny sakeli-dranon' ny renirano Sengge sy ny renirano Gar midina amin' i Himalaya . Mandalo any avaratra-andrefana i Indosy, ary miampita an' i Kashmira any atsimon' ny tangorombohitr' i Karakoram , ary midina any atsimo izy, miala amin' ny vohitra Peshawar sy Rawalpindi izy. Eo amin' io faitra io, misy tohadrano mampisy ny tahirin-dranon' i Tarbela . Azon' ny sambo andehanana ilay renirano eo amin' ny vinanin' ny renirano Kaboul.

Manaraka ny tany lemak' i Penjab sy ny an' i Sind i Indosy, ary mandeha moramora kokoa izy. Miampita ny tananan' i Hyder?b?d izy ary mivarina ao amin' ny Ranomasin' i Omana, mamorona vavarano mivelatra 7 700 km 2 eo am-pivarinana, any atsimo andrefan' i Kar?chi no misy ilay varavaro. Ankehitriny dia anisan' ny faritra ekolojika manan-danja indrindra eto an-tany i Sindo.