한국   대만   중국   일본 
Herodotosy ? Wikipedia Aller au contenu

Herodotosy

Avy amin'i Wikipedia
Herodotosy
Ankapobeny
Anarana Herodotosy
Teraka 484 tal. J.K.
Maty 425 tal. J.K.
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa  :
Fiainana manokana

I Herodotosy dia mpahay tantara sy jeografa ary mpanao politika teraka tamin' ny taona 484 tal. J.K. ary maty tamin' ny taona 425 tal. J.K. Atao hoe ?ρ?δοτο? / Herodotos ny anarany amin' ny teny grika .

Amin' ny fiheverana azy ho mpahay tantara voalohany dia ataon' i Tsitsero hoe "Rain' ny Tantara" izy noho ny nanoratany ny sanganasa lehibe, dia ny Tantara - atao hoe Fanadihadiana koa, izay miompana amin' ny adin-tafika medika, nefa tsy voafetran' ny fitantarana an' izany ihany: nohazavainy ny anton' ny adin-tafika sady mitantara zavatra hafa mifanindran-dalana izy, momba ny tantara, ny fomban-tany ary ny firenen' ireo mpandray anjara amin' ny ady sy ny firenena maro hafa manodidina an' i Mediteranea , ka mpialoha lalana ireo misahana ny tantaran' ny firenena rehetra izy.

Ny fitantarany ny dia nataony dia andaharana azy ho isan' ny jeografa voalohany ary ny fanazavana nataony ao amin' ny Resaka nifanaovan' i Otnesy sy i Megabisy ary i Dariosy dia isan' ny tahirin-kevitra voalohany marina ahitana fanasarahana sy fampitahana ny karazana fitondram-panjakana ( demokrasia , oligarsia , monarsia ).

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]

Rohy ivelany [ hanova | hanova ny fango ]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina .

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alalan'ny fanitarana azy .
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.