한국   대만   중국   일본 
Holandy ? Wikipedia Aller au contenu

Holandy

Avy amin'i Wikipedia
I Holandy Avaratra sy i Holandy Atsimo (volom-boasary) miaraka amin' i Nederlandy manontolo

I Holandy dia faritra ara-jeografia, faritany taloha tao amin' ny morontsiraka andrefana any Nederlandy izay nozaraina ho faritany roa miavaka tamin' ny taona 1840: dia i Holandy Avaratra sy i Holandy Atsimo. Atao hoe Holland izy amin' ny teny neerlandey.

Ny anaran' io faritra manan-tantara io dia avy amin' ny teny nederlandey antenatenany hoe Holtland izay midika hoe "tany misy ala" (avy amin' ny hoe holt : "hazo, ala", sy land : "tany").

Noho ny maha zava-dehibe ara-tantara an' ity farany, ny teny hoe "Holandy" dia lasa ampiasaina, hanondroana an' i Nederlandy manontolo, na dia tsy ofisialy aza io anarana io. Tamin' ny taona 1806, ny Repoblika Bataviana dia niova ho Fanjakan' i Holandy nankinina tamin' i Louis Bonaparte (printsy frantsay lasa mpanjakan' i Holandy); io no hany fotoana nampiasana ny teny hoe "Holandy" amin' ny fomba ofisialy hanondroana an' i Nederlandy manontolo.

Tamin' ny alalan' ny fanapahan-kevitra noraisina tamin' ny Oktobra 2019, dia nanova ny anarana ampiasain' ny andrim-panjakana ny manampahefana neerlandey: nanomboka tamin' ny 1 Janoary 2020, ny ministera, ny masoivoho, ny oniversite, ny kolejy na ny kaominina dia tsy misy marika misy soratra "Holandy" intsony fa ny hoe "Nederlandy"; ary ny fifandraisana iraisam-pirenena ao amin' ilay firenena dia mampiasa ny teny hoe Nederlandy nanomboka tamin' izay.

Holandey no iantsoana ny mponina ao.

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]