Geparda
Ny
geparda
dia biby misy nono mpihinan-kena, iray sokajy amin' ny saka, miaina ao
Afrika
sy
Azia Andrefana
(ao
Irana
sy ao
Afganistana
avaratra-andefana). Ny anarany ara-tsiansa dia
Acinonyx jubatus
. Izy no heverina ho
biby
haingam-pihazakazaka indrindra eto ambonin' ny tany, izay manana hafainganam-pandeha mahatratra 112 km/ora. Tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20 dia notombanana ho 100 000 any ny isan' ny geparda nefa nihena ho 7 100 izany tamin' ny taona 2019. Biby arovana noho izany ny geparda.