Ny
fizaran-taona
dia fari-potoana ao anatin' ny
taona
izay ahatsapana tsy fiovana firy eo amin' ny
toetrandro
(fisian' ny
orana
na tsia,
rivotra
mifofofofo na tsia,
orampanala
na tsia,
hazavana
sy hafanan' ny
masoandro
na tsia, sns) izay mifandray amin' ny tsingerim-piainan' ny
zavaboary
(fitsirin' ny
zavamaniry
, fiovan-toetran' ny
biby
, sns). Ampifadraisin' ny olona amin' ny asa fivelomany koa ny fizaran-taona, indrindra ny
fambolena
sy ny
fiompiana
.
Tsy mitovy ny isan' ny fizaran-taona arakaraka ny toetany na ny firenena na ny kolontsain' ny mponina ka ao ny mizara ny taona ho roa (
toetany tropikaly
:
asara
sy
asotry
), ny mizara azy ho telo, ny mizara azy ho efatra (
toetany antonony
:
lohataona
,
fahavaratra
,
fararano
,
ririnina
) ary ny mizara azy ho enina (fizaran-taona indiana), sns.
Raha ahitana fizaran-taona efatra ny taona dia ireto avy izy ireo: ny lohataona, ny fahavaratra, ny fararano ary ny ririnina.
Ny
lohataona
no fizaran-taona voalohany amin' ny taona. Manomboka mitsiry avokoa ireo zava-maniry nihintsin-dravina nandritra ny
ririnina
.
Raha zaraina efatra mitovy ny taona iray ao amin' ny ila-bolantany avaratra dia mahafaoka ny volana Marsa sy Avrily ary Mey ny lohataona fa ao amin' ny ila-bolantany atsimo kosa dia manambatra ny volana Septambra sy Oktobra ary Novambra.
Ny
fahavaratra
dia fizaran-taona mifanandrify amin' ny vanim-potoana filatsahan' ny orana sy famokarana vokatra sy fambolena.
Raha zaraina efatra mitovy ny taona iray ao amin' ny ila-bolantany avaratra dia mahafaoka ny volana Jona sy Jolay ary Aogositra ny fahavaratra fa ao amin' ny ila-bolantany atsimo kosa dia manambatra ny volana Desambra sy Janoary ary Febroary.
Ny
fararano
no fizaran-taona manaraka ny
fahavaratra
. Efa manomboka mihena ny orana amin'io, ka izay no nahatonga io fiantsoana azy io.
Raha zaraina efatra mitovy ny taona iray ao amin 'ny ila-bolantany avaratra dia mahafaoka ny volana Septambra sy Oktobra ary Novambra ny fararano fa ao amin' ny ila-bolantany atsimo kosa dia manambatra ny volana Marsa sy Avrily ary Mey io fizaran-taona io.
Ny
ririnina
no fizaran-taona manaraka ny
fararano
, izay vanim-potoana mangatsiaka; fohy ny andro ary rako-drahona matetika; ianjadian' ny fanala ny hazo ka mihintsan-dravina.
Raha zaraina efatra mitovy ny taona iray ao amin' ny ila-bolantany avaratra dia mahafaoka ny volana Desambra sy Janoary ary Febroary ny ririnina fa ao amin' ny ila-bolantany atsimo kosa dia manambatra ny volana Jona sy Jolay ary Aogositra io fizaran-taona io.