한국   대만   중국   일본 
Fiteny tiorka otomana ? Wikipedia Aller au contenu

Fiteny tiorka otomana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny tiorka otomana , na fiteny tiorka osmanly na fiteny tiorka taloha no fiteny ofisiali n' ny Empira Otomana . Ny satany ofisialy amin' ny maha fitenin' ny fanjakana azy dia nofaritana tamin' ny andininy faha-8 amin' ny lalam-panorenan' ny taona 1876 mandra-pahatongan' ny fanavaozana an' ilay fiteny nataon' i Mustafa Kemal Ataturk taorian' ny taona 1923, taorian' ny nanjavonan' ity empira ity. Ny fiteny tiorka otonana dia nosoratana tamin' ny abidy arabo nasiam-panamboarana, ary miavaka noho ny fahitana voambolana avy amin' ny fiteny arabo na fiteny persiana betsaka. Avy i I Ataturk dia nandray ny abidy latina hanoratana ny fiteny tiorka ary nandrisika ny fanaovana asa famoronana teny vaovao manam-piavioana tiorka hanoloana ny voambolana arabo na persiana.

Amin' io fiteny io dia atao hoe ???? ???? / Lisan-ı Turki ; ???? / Turki  ; ???? ?????? / Lisan-ı Osmani  ; ????? Turkce ny fiteny tiorka otomana.

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]