Ny
fiteny
sanskrity
na
sanskrita
(
????????
/
sa?skr?tam
) dia fiteny anisan' ny
fanakaviam-piteny indo-eoropeanina
ao amin' ny
fianakaviam-piteny indo-arianina
any
India
. Misy teny mbola ampiasain' ny fianakaviana Brahmana sy sekoly spiritoalista. Ny manam-pahaizana indiana sasany dia mbola miteny sy mamoaka boky na manao valandresaka amin' io fiteny io. Ny fiteny sanskrity dia ampiasaina indrindra amin' ny lahatsoratra ara-pivavahana
hindoa
sy
bodista
ary amin' ny lahatsoratra siantifika. Ny fanisana natao tamin' ny taona 1981 dia nahitana fa miisa 6 100 ny olona miteny sanskrita ary tamin' ny taona 1961 dia tany amin' ny 194 400 ny isan' ny olona nilaza fa miteny sanskrity ka manao azy ho fiteny faharoa. Iray amin' ny
fiteny ofisialy
ao India ny fiteny sanskrity.