Faritra itenenana penjaby: ny faritra miloko manga no ahitana mpiteny penjaby petsaka indrindra fa ny miloko manga matsora kosa dia vitsy kokoa ny mpiteny penjaby
Ankohonana ao amin' ny foko penjaby
Ny
fiteny penjaby
na
fiteny ponjaby
na
fiteny panjaby
dia
fiteny indo-ariana
tenenin' ny vahoaka Ponjaby any amin' ny Faritra Punjab any
Pakistana
sy any
India
. Io no fiteny be mpampiasa indrindra any Pakistana ary fiteny faha-11 be mpampiasa indrindra any India.
Ny fiteny ponjaby dia ampiasain' ny olona miisa 80,5 tapitrisa ao Pakistana (tamin' ny taona 2017). Io no fiteny be mpampiasa indrindra any Pakistana. Ny fiteny ponjaby dia ampiasain' ny olona miisa 31,1 tapitrisa (tamin' ny taona 2011) ary manana sata ofisialy ao amin' ny Fanjakan' i
Punjab
any India. Io fiteny io dia ampiasain' ireo zanaka am-pielezana maro any ampitan-dranomasina, indrindra any
Kanada
, any
Etazonia
ary any amin' ny
Fanjakana Mitambatra
. Manana mpiteny teratany 113 tapitrisa eo ho eo ny fiteny ponjaby.
Ao Pakistana, ny fiteny ponjaby dia soratana amin' ny abidy shahmukhi, mifototra amin' ny soratra perso-arabo; any India, dia soratana amin' ny abidy gurmukhi izy io, mifototra amin' ny soratra indika (na brahmika). Ny fomban' ny fiteny penjaby dia tsy mahazatra ao amin' ireo fiteny indo-ariana sy ao amin' ny fianakaviamben' ny
fiteny indo-eoropeana
manontolo amin' ny fampiasana ny fiaka-midin' ny haavom-peo eo amin' ny
vanin-teny
iray (toy ny an' ny
Sinoa
sy ny
Vietnamiana
).
Lavitra be amin' ny
fiteny hindy
ny fiteny penjaby. Na izany aza, ny voambolana penjaby dia ahitana voanteny hindy na maro mifandraika amin' izany.