한국   대만   중국   일본 
Fianakaviambem-piteny nizero-kongoley ? Wikipedia Aller au contenu

Fianakaviambem-piteny nizero-kongoley

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiteny nizero-kongoley )
Sarintany maneho ny faritra misy ny mpiteny nizero-kongoley

Ny fiteny nizero-kongoley na fiteny nizer-kongo dia vondrom-pianakaviam-piteny afrikana maro mpiteny indrindra sady miparitaka amim-beleran-tany midadasika indrindra. Ny ankamaroan' ny fiteny afrikana dia ao amin' io fianakaviam-piteny io, izay ahitana fiteny miisa 1.525, izany hoe 21 % amin' ny isan' ny fiteny maneran-tany, ka izy no mitana ny laharana voalohany raha ny isan' ny fiteny ao aminy no heverina. Olona miisa 459 tapitrisa any ho any no miteny nizero-kongoley, izany hoe ny 7 % amin' ny mponina maneran-tany, ka ny antsasaky ny isan' ireo fiteny ireo dia tenenin' ny olona miisa tsy latsaky ny 29 000 isaky ny fiteny avy. Miavaka ny fiteny nizero-kongoley amin' ny fisian' ny kilasin' anarana . Anisan' ny fiteny nizero-kongoley, ohatra, ny fiteny ioroba sy ny fiteny igbo sy ny fiteny oolofo (na volofo ) ary ny fiteny soahily .

Mizara fianakaviam-piteny 15 ny vondrom-pianakaviam-piteny nizero-kongoley, dia

  1. ny fianakaviam-piteny katla .
  2. ny fianakaviam-piteny rasada .
  3. ny fianakaviam-piteny ijoida
  4. ny fianakaviam-piteny dogona .
  5. ny fianakaviam-piteny mande , ka anisan' izany ny fiteny bambara , ny fiteny diola , ny fiteny malinke , ny fiteny soso , ny fiteny mende, ny fiteny kpele, ny fiteny soninke ary ny fiteny dana.
  6. ny fianakaviam-piteny lafofa .
  7. ny fianakaviam-piteny talody-heibana .
  8. ny fianakaviam-piteny atlantika , anisan' izany ny fiteny folany .
  9. ny fianakaviam-piteny kro .
  10. ny fianakaviam-piteny senofo , ka anisan' izany ny fiteny sebaara, ny fiteny mamara ary ny fiteny sopiire.
  11. ny fianakaviam-piteny gora , anisany ny fiteny more.
  12. ny fianakaviam-piteny adamaoa-obangiana , anisany ny fiteny momoie.
  13. ny fianakaviam-piteny koa , anisany ny fiteny akana , ny fiteny eoe , ny fiteny baole , ny fiteny fongbe, ny fiteny ga ary ny fiteny agny .
  14. ny fianakaviam-piteny voltaika-nizeriana , anisany ny fiteny ioroba , ny fiteny edo, ny fiteny igbo , ny fiteny nope ary ny fiteny idoma.
  15. ny fianakaviam-piteny benoe-kongoley .

Marihina fa mbola azo avondrona anaty vondrom-piteny atao hoe fiteny atlantika-kongoley ny fianakaviam-piteny lafofa, talody-heibana, atlantika, kro, senofo, gora, adamaoa-obangiana, koa, voltaika-nizeriana ary benoe-kongoley. Azo avondrona ao amin' ny atao hoe fiteny voltaika-kongoley koa ny fianakaviam-piteny kro, senofo, gora, adamaoa-obangiana, koa, voltaika-nizeriana ary benoe-kongoley.

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]

Fianakaviam-piteny ao Afrika:

Fianakaviam-piteny lehibe

Vondrom-pianakaviam-piteny

Hafa