Ny
fiteny nepaley
dia fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny
indo-iraniana
tenenina ao
Nepaly
, any
India
ary any
Botana
. Izy no fiteny ofisialin' i Nepaly. Ao
India
dia mihoatra ny 2 000 000 ny isan' ny olona miteny nepaley amin' ny maha fitenin-dreny azy izay nahatonga ity fiteny ity ho fitenin' ny asam-panjaka, ary fiteny ofisialin' ny fanjakan' i Sikkim any India. Soratana amin' ny endri-tsoratra devanagary ny fiteny nepaley, mitovy amin' ny an' ny
fiteny hindy
. Fitenin-drenin' ny olona miisa 12 000 000 any ho any ny fiteny nepaley ao Nepaly (45 %n' ny mponina nepaley izany). Mihoatra ny kely ny 35 000 000 ny olona miteny nepaley maneran-tany. Maro ny anarana iantsoana ny fiteny nepaley: fiteny kaskora (
kashkura
), fiteny gorkaly (
gorkhali
na
gurkhali
), fiteny nepaly (
nepali
), fiteny parnatia (
aprbatiya
).