한국   대만   중국   일본 
Fiteny kmera ? Wikipedia Aller au contenu

Fiteny kmera

Avy amin'i Wikipedia
Fiteny kmera
?????????
[p?iː?saː k?maːe]

Isan'ny mpiteny 14,7 ? 20,6 tapitrisa
Faritany   Kambodia ,   Vietnam ,   Tailandy ,   Etazonia ,   Frantsa , Aostralia
Sata   Kambodia (teny ofisialy)

Ny fiteny kmera dia fiteny voasokajy ao amin' ny fianankavian' ny fiteny mon-kmera ao amin' ny fiteny aostro-aziatika . Any Kambodia ( Cambodge ) sy manodidina izy no tenenina. Io fiteny io dia fiteny tsy manara-peo ohatra ny fitenin' ny firenena manodidina azy. Misy 13 tapitrisa eo ho eo ny isan' ny mpiteny kimera.

Fanoratana ny fiteny kmera [ hanova | hanova ny fango ]

Ny fiteny kmera dia mampiasa abidy azy manokana . Ny abidy kmera dia manana renifeo 33 sy zanapeo 23 (na 24 arakaraky ny mpanoratra). Fa mbola betsaka noho io ny isan' ny zanapeo; mba tsy ho betsaka ny isan' ny zanapeo, nahita fika iray ny mpamorona ilay abidy. Ny renifeo iray dia ao amin' ny sokajy roa, maivana na mavesatra. Raha ao amin' ny sokajy voalohany ny zanapeo iray, mamoaka feo manokana izy ary raha ampiaraha amin' ny zanapeo avy amin' ny sokajy faharoa izy, mamoaka feo hafa indray izy. Izany hoe, ny zanatsoratra dia manana fanononana roa (afa-tsy roa na telo mitazona ny feony).

Ny ankabeazan' ny renifeo (12) dia atao indroa (12x2=24) fa tsy izy rehetra (33-24=9). Misy tsindrim-peo ampiasaina mba hisolo sokajy ary izy io no afahana mandrakotra ny fahefana rehetra io fomba io.

Rehefa tsy misy zanapeo miaraka amin' ila renifeo, ny feo avoaka dia an' ilay zanapeo anaty (tsy soratana matetika). Ny renifeo maivana dia manana zanapeo anaty mitovy amin' ny /a/ ary ny renifeo mavesatra dia mamoaka zanapeo manakaiky ny /o/ . Kanefa, tsy afaka ampiasaina irery ny zanapeo, tsy maintsy miaraka amina renifeo iray izy.

Miaraka amin'ny zanapeo anaty, manome 25 x 2 = zanapeo 50, mety ngeza be izany. Tsy mitovy amin'ny mpandinika teny ny dikan'ny zanapeo any amin'ny kimera. Ohatra : o fohy, o lava, o arahan'ny m, o arahan'ny h, o arahana fijanonana dia manao zanapeo dimy. Manana zanapeo misosona maromaro koa ilay fiteny.

Miampy amin'izany, ny abidy kimera koa dia manana zanapeo lazaina hoe malalaka, noho izany dia tsy voatery ampiarahana amina renifeo izy. Manana feom-baninteny manokana zareo ary tsy ao anatin'ny abidy. Mety ho voafafa izy ireo, ary efa nosoloina ny sasany amin'izy ireo. Mety fafana izy, fa etimolojika sy ara-tantara ny tombon-tsoany.

Ny ankabeazan'ny renifeo (afatsy ny ng) dia hita amin'ny fiteny frantsay na dia hoe tsy dia mitovy tsara aza ; kanefa ny fiteny frantsay sy ny fiteny malagasy dia manana feo tsy fantatra amin'ny fiteny kimera kanefa matetika ampiasaina amin'ireo fiteny ireo (ny f sy ny z ohatra).

Rehefa misy renifeo roa ny vaninteny iray, atao kely ny hangezan'ny renifeo faharoa azy lazaina hoe "renifeo tongotra" satria eo an-tongon'ny voalohany no misy azy.

Mety hita sarotra io fomba fanoratana io. Ny frantsay tamin'ny anivon'ny taonjato faha 20 efa nanandrana nanao abidy latina an'i fiteny kimera, fa tsy vitany no nandidy azy noho ny isan'ny zanapeo be loatra. Vitan'ny ankizy tsara no mampiasa io fanoratana io, dikan'izany, na dia misy hebakebaka aza, mety tsara ho an'ny fiteny kimera io fanoratana io.

Abidy [ hanova | hanova ny fango ]

Renifeo
Litera Feo Litera Feo litera feo litera feo litera feo
? k?? ? kh?? ? k?? ? kh?? ? ŋ??
? c?? ? ch?? ? c?? ? ch?? ? ???
? d?? ? t?? ? d?? ? th?? ? n??
? t?? ? th?? ? t?? ? th?? ? n??
? b?? ? p?? ? b?? ? p?? ? m??
? j?? ? r?? ? l?? ? v??
? s?? ? h?? ? l?? ? ???

Rafi-peo [ hanova | hanova ny fango ]

Ny sistema ara-drafipro dia hosoratana eto arakaraka ny fanononana ilay fiteny, fa tsy hoe ahoana no manoratra azy amin'ny abidy kmera.

Feo sy fanononana [ hanova | hanova ny fango ]

Renifeo [ hanova | hanova ny fango ]

Eo amolotra Dental [1] / Alveolar Palatal Velar Glottal
Plosive p (p?) t (t?) c (c?) k (k?) ?
Implosive ? ~ b ? ~ d
Nasal m n ? ŋ
Liquid r l
Fricative s h
Approximant ? j

Zanapeo [ hanova | hanova ny fango ]

Zanapeo kimera voalohany [2]
Lava
fohy i e ? ? ? a u o
Zanapeo misosona lava i?? ei? ?e? ??? ??? ??? ao? u?? ou? ???
Zan. mis. fohy e??? u??? o???
Zanapeo kimera faharoa [3]
Lava e?ː ??ː o?ː
Fohy i e ? ? ? a u o ?
Zan. mis. lava i?? a?? a?? o?u? ao?
Zan. mis. fohy ??? ??

Ny tena isan'ny zanapeo ampiasaina dia miova arakaraka ny fiteny. Ny zanapeo lava sy fohy dia voavaka amin'ny halavany.

Rafitry ny vaninteny [ hanova | hanova ny fango ]

Ny teny kmera dia matetika vita vaninteny iray na vaninteny iray sy tapany, ny tsindrim-peo dia tonga eo amin'ny vaninteny farany. Ny teny manana vaninteny iray sy tapany dia manana vaniteny roa amin'ny lafin'ny ara-drafi-peo, anatin'izany tranga izany, ny vaninteny voalohany dia afaka fantarina mialoha. Ny teny manana vaninteny roa dia matetina nindramiina, na vokatry ny fametrahana tsirinteny. Azo atombohana amin'ny iray amin'ny vondrona renifeo miroa 85 ny teny miaraka amin'ny fiovana ara-drafipeo manaraka :


p ? t ? c k ? m n ? ŋ j l r s h ?
p p?t - p? - p?c p?k - p? - p?n - p?? - p?ŋ - p?j - p?l - pr - ps -
t t?p - t? t?k - t? - t?m - t?n - t?ŋ - t?j - t?l - tr - t??
c c?p - c? c?k - c? - c?m - c?n - c?ŋ - c?l - cr - c?? -
k k?p - k? k?t - k? - k?c k? - k?m - k?n - k?? - - k?j - k?l - kr - ks - k?? -
s sp - s? st - s? - sk - s? - sm - sn - s? - - sl - sr - s?
? ?? -
m mt - m? - mc m? - m?n - m?? - ml - mr - ms - mh -
l lp - l? lk - l? - lm - - lh - l? -

Ny vaninteny dia manomboka amin'ireo renifeo na gropy renifeo ireo, arahan'ny zanapeo lohany. Ny fanatrohana anaty vondrona dia alofonika. Rehefa fohy lny halava ny zanapeo lohany, misy renifeo famaranana izy.

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]

Rohy ivelany [ hanova | hanova ny fango ]

Tsiahy [ hanova | hanova ny fango ]

  1. "kopian'ny arisiva" . Archived from the original on 2011-07-20 . Retrieved 2010-02-15 .
  2. Hadisoan-tsiahy: Balise <ref> incorrecte?: aucun texte n’a ete fourni pour les references nommees SIDWELL
  3. Hadisoan-tsiahy: Balise <ref> incorrecte?: aucun texte n’a ete fourni pour les references nommees ELL