|
Ity pejy ity dia
pejy manirery
ary tokony asiana rohy manketo ny pejy hafa.
(Martsa 2010)
Asio rohy manketo ny lahatsoratra hafa misy fifandraisana amin'ny lazain' ity lahatsoratra ity.
|
Ny
fiteny kanada
(?????), na
siriganada
dia
fiteny diravidianina
any amin' ny tapany atsimon' i
India
. Izy no fiteny tena antitra indrindra amin' ny fiteny diravidianina. Teny ofisialin' i
Karnataka
ny fiteny kanada. Misy olona 45 tapitrisa no mampiasa ny fiteny kanada any India
Efa nisy 2 500 taona mahery izay no nisy ny fiteny kanada, ary soratana amin' ny anidim-baninteny kanada izy. Noforonina tamin' ny taonjato faha-2 io abidim-baninteny io. Mitovy endrika amin' ny fiteny diravidianina hafa ny fivoaran' ny fiteny kanada, indrindra amin' ny
fiteny tamily
sy ny
fiteny telogo
. Tamin' ny taonjato farany, nanana fiantraikany tamin' ny
fiteny sanskrity
ny fiteny kanada sy ny fiteny telogo.
Misy fahasamihafana ny fiteny soratana sy ny fiteny tenenina, ary samihafa ny fiteny kanada arakaraky ny faritra. Manana endrika isam-paritra 20 ny fiteny kanada. Ny tena be mpiteny indrindra dia:
- ny fiteny
kodava
(any amin' ny faritra Coorg) ;
- ny fiteny
kunda
(any amin' ny faritra Kundapura) ;
- ny fiteny
havyaka
(fiteny tenenin' ny Havyaka Brahmana any amin' ny faritra Dakshina Kannada, any amin' ny faritra Uttara Kannada, any amin' ny faritra Shimoga, ary any amin'ny faritra Sagara et dans l'Udupi);
- ny fiteny
are bhashe
(any amin' ny faritra Sullia, any Dakshina Kannada) ;
- ny fiteny
soliga kannada
;
- ny fiteny
badaga kannada
;
- ny fiteny
gulbarga kannada
;
- ny fiteny
hubli kannada
.
Ny fiteny kanada dia anisan' ny teny ofisialin' i
India
ary teny ofisialin' ny faritan' i Karnataka. Misy mpiteny kanada ihany koa any amin' ny faritra Tamil Nadu, fa tsy teny ofisialy io teny io any.
Ny fiteny kanada dia manana
alphasyllabaire
hanoratana azy. Misy litera 52 ilay alphasyllabaire. Mitovitovy endrika amin' ny fomba fanoratana hafa any
India
ny soratra kanada. Satria avy amin' ny
soratra Brahmi
ny soratra kanada ; somary sarotsarotra ihany ny manoratra amin' io soratra io, manana litera tapany izao ohatra ny alphasyllabaire kanada, ary manana ligatiora manokana na
tsindrim-peo
ihany koa izy. Noho izany, mihoatra be ny litera 52 ny abidy ny isan' ny eva (symbole).
Afaka manatambatra litera maro koa ny mpanoratra raha te-hanao
ottakshara
vaninteny iray ny eva iray.
Misy sokajy telo ny eva :