Sarin-tany maneho ireo fianakaviam-piteny aty Afrika
Ny
fiteny koisana
dia vondrom-piteny tenenin' ny vahoaka
koikoy
(na
hoihoy
) sy ny vahoaka
sana
ao amin' ny faritra atsimo ao
Afrika
, indrindra ao
Botsoana
, ao
Namibia
, ao amin'ny faritanin' i Noord-Kaap ao
Afrika Atsimo
, ary ao amin' ny tapany atsimon' i
Angola
.
Ny fiteny koisana dia miavaka noho ny fampiasany renifeo atao hoe klika. Ny
fiteny kongekoka
dia mampiasa karazana klika mihoatra ny 50 amin' ny hasim-peo miisa 140.
Tsy mamorona
fianakaviam-piteny
tokana ireo fiteny koisana ireo nefa azo zaraina ho fianakaviam-piteny telo miavaka tsara, afa-tsy ny
fiteny hadza
sy ny
fiteny sandaoe
izay heverina fa
fiteny manirery
. Ny teny hoe
koisana
dia teny enti-manondro ireo fiteny rehetra ao
Afrika
misy klika sady tsy mifamatotra amin' ny fianakaiam-piteny telo lehibe fantatra tsara ao amin' io kontinenta io, dia ny
fiteny afro-aziatika
sy ny
fiteny nilo-sahariana
ary ny
fiteny nizero-kongoley
. Ny fiteny koisana be mpiteny indrindra dia ny
fiteny koikoy
(na
fiteny hoihoy
), fitenin' ny foko Nama, izay isan' ny folo lehibe ao
Namibia
.
Ny
fiteny koady-koy
dia sampan' ny fiteny koisana izay ahitana ireto zana-tsampana ireto:
fiteny koady
(fiteny maty) sy ny
vondrom-piteny koy
.
Ny fiteny koady dia fiteny maty.
Ny fiteny koy dia mbola mizara ho sampana roa: dia ny
vondrom-piteny koikoy
(
fiteny koikoy avaratra
na
fiteny nama
,
fiteny koikoy atsimo
,
fiteny einy
) sy ny
fiteny tsokoe
na
fiteny kalahary
(
fiteny tsokoe atsinanana
: fiteny soa sy fiteny tsoa; fiteny tsokoe andrefana).
Ny
fiteny johoana
dia ahitana ny
fiteny koisana avaratra
sy ny
fiteny amkoe
,
Ny
fiteny too
dia ahitana ny
fiteny koy
sy ny
fiteny taa
.
Ny
fiteny sandaoe
sy ny
fiteny haja
dia fiteny manirery ao
Tanzania
sy ao
Kenia
avy.
Jereo koa[hanova | hanova ny fango]
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Fianakaviam-piteny ao Afrika
Fianakaviam-piteny lehibe
Vondrom-pianakaviam-piteny
Hafa